Sport

Andro iraisam-pirenena momba ny Yoga 700 mahery ireo mpandray anjara


  • Alatsinainy 19 Jona 2017

Nanamarika ny andiany faha-3 ny andro iraisam-pirenenan’ny Yoga, teny amin’ny Boulodrome eny Soavimbahoaka Antananarivo ny alahady 18 jona 2017 ny masoivohon’i Inde eto Madagascar.

 

 Olona naherin’ny 700 no tonga nanotrona ny hetsika, anisan’izany ireo manampahefana Malagasy nahitana ny lehiben’ny andrim-panjakana isan-tsokajiny, parlemantera, tompon’andraiki-panjakana ambony. Teo ihany koa ireo masoivoho vahiny monina sy miasa eto amintsika sy ireo teratany indiana ary ireo ivontoerana yoga maro samihafa.  Azo ambara fa fahombiazana no azo tamin’ity fikarakarana ny hetsika ity ka nisaoran’ny ambasadaoron’i Inde ny rehetra tonga nanotrona teny an-toerana. Nomarihany fa tsy fomba fivavahana miaraka amin’ny finoana isan-tsokajiny akory ny Yoga fa zavakanto iray sy siansa mikajy ny fiainana ho lavorary. Ny tanjon’ny fanaovana Yoga (sādhana) dia ny hihoarana ny karazana olana mianjady amin’ny tena rehetra ary mitondra mankany amin’ny fahafahana eo amin’ny lafim-piainana mba hisian’ny fiainana mirindra sady hanjakan’ny fahasalamana tanteraka. Tsy fampiasam-batana araka ny fiheveran’ny maro azy fotsiny akory ny Yoga fa fandrindrana ny vatana manontolo hampiseho ny maha izy azy ny tena ka mifoka rivotra madio manaraka teknika samihafa ary koa fanaoavana « méditation ». Ny ezaka nataon’ny praiminisitr’i Inde kosa no nahatonga ny Firenena Mikambana nankato ny 21 jona ho andro Iraisam-pirenen’ny Yogo nanomboka tamin’ny 2014. Nanotrona ny hetsika notarihan’ny Ambasadin’i Inde sady nitana tranoheva tsirairay avy ireo sekoly mampianatra yoga eto Antananarivo tsy latsaky ny 7 ary nandravaka ny fotoana tamin’ny fanehoana an-kira sy dihy ny kolontsaina Malagasy sy Indiana kosa ny tarika Benja Gasy avy eto Madagasikara.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT