Sport

Andro Iraisam-pirenena ho an’ny ankizivavy Anio no hanokafana ny lalao baolina kitra vehivavy sokajy U 16


  • Alakamisy 11 Oktobra 2018

Homarihana ao anatin’ny fanohanan’ny Unicef ny Baolina kitra vehivavy sokajy U 16 karakarain’ny FMF eny amin’ny kianjan’i Carion ny 12-20 oktobra 2018 izao ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizy vavy izay hankalazaina isaky ny 8 oktobra isan-taona. Anio alakamisy 11 oktobra tolakandro eny amin’ny kianja

 

 

 

monisipalin’Alarobia  dia hisy ny fanokafana ofisialy an’ity fifaninanana ity  ka hitondran’ny Unicef  hetsika manokana toy ny Festival Live Your Goals sy ny “ateliers football” ary filaharambe handraisan’ny zatovovavy mahatratra 300 isa manerana ny nosy anjara. Heverin’ny Unicef  Madagascar fa eo amin’ny andraikitra sahaniny amin’ny ady amin’ny herisetra atao ny zatovovavy miala sakana dia afaka mampivondrona ny zatovovavy maro ny lalao baolina kitra hahazoan’izy ireo manatsara ny maha izy azy ireo. Ekipa 8 no handray anjara amin’ity Tournoi ity ka nozaraina ho vondrona 2 araka ny antsapaka natao teny amin’ny Motel de Tanà tamin’ny talata 9 oktobra teo ka voasarika ho ao amin’ny Vondrona A ny As 3A Amoron’i Mania, Maitsovolo Matsiatra Ambony, Prescoi Vakinankaratra ary ny Asot Analamanga.  Ao amin’ny vondrona B kosa no ahitana ny Ac Sab Nam, As Jaf Atsimo Atsinanana, Sos Village des enfants Atsinanana ary ny Fc Manambina Boeny.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT