Sport

Andriamirado DAX Tsy nilalao tetsy Mahamasina satria…


  • Alarobia 26 Desambra 2018

Tsy niakatra ny kianjan’i Mahamasina i DAX “Aro Hasina Andriamirado Andrianarimanana”, ilay mpilalao Malagasy milalao ao amin’ny ekipa Afrikana Tatsimo Kaiser Chiefs ny sabotsy 22 desambra 2018

 

 

 

 lasa teo tamin’ny fihaonan’ny Elgeco Plus sy ity ekipa misy azy ity niatrika ny lalao miverin’ny fiadiana ny amboaran’ny CAF dingana voalohany na dia tazan’ny maro teny amin’ny Tribune Afovoany ao amin’ity kianja  ity aza tamin’io andro io. Nosomparan-dry zalahy saika ho samborina teny amin’ny hotely Carlton Anosy  ny tenantsika tamin’ny zoma 21 desambra 2018, hoy izy, fa hoe tsy ara-dalàna ny “passe-port” ka aleo mitandrina mba tsy hanakorontanana ny lalao sanatria. Nambaran’ny mpanazatra ny Kaiser Chief ankehitriny, Ernst Middenthorp, teny Mahamasina kosa anefa taorian’ny lalao fa efa fahazaran’ny ekipa goavana any ivelany any ny tsy mampilalao mpilalao iray rehefa eo amin’ny tany nihaviany no hivahinianana  hanatontosana ny fihaonana.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT