Sport

Andriamanarivo Franklin Hamono baolina alohaloha ny Barea amin’ny alahady


  • Zoma 20 Septambra 2019

Tao anatin’ny fanatrehana ny fanazaran-tena nataon’ireo mpilalao 23 (au grand complet) mandrafitra ny Barea Chan tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina omaly alakamisy 19 septambra no nilazan’ny mpanazatra azy ireo,

 

 Andriamanarivo Franklin, fa efa vonona tanteraka ireo mpilalaontsika hifanandrina amin’ny ekipam-pirenen’i Namibie eo amin’ny lalao baolina kitra fifanintsanana hahazoana miatrika ny fifaninanana Chan 2020, amin’ny alahady 22 septambra izao etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina. Mahatoky an’ireo mpilalao nantsoiko ireo aho, hoy izy, fa ao tsara izy ireo ankehitriny ary vonona tanteraka ireo lohalaharana nohamafisina ny hampidi-baolina mialohaloha amin’io fihaonana io nefa dia azo antoka ihany koa ny fiarovan-tena sy ireo irakiraka ao afovoan’ny kianja. Fehiny, tsy misy tokony tsy handresena ny Namibiana izay fantatra tsara sy mbola halalininay amin’ny alalan’ny horonan-tsary ny fomba filalaony. Amin’ny sabotsy ho avy izao miaraka amin’ny valandresaka mialoha ny lalao atao eny Isoraka no hamoahana ny anaran’ireo mpilalao tena ho tompon-toerana amin’ny alahady. Tazana tetsy Mahamasina nanara-maso an’ity fanazaran-tenan’ny Barea Chan omaly ity ny Tale Teknikan’ny FMF, Nicolas Dupuis.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT