Sport

Andriamanantena Jocelyn na i Joyce Mpanohana mavitrika ny mpilalao kitra Malagasy


  • Zoma 17 Aogositra 2018

Na dia maro amin’ny mpitia baolina kitra Malagasy toy ny any amin’ny firenen-kafa aza no mankafy an’ireo mpilalao kalaza iraisam-pirenena toa an-dry Messi, Cristiano Ronaldo, Neymar Jr …

 

ka misalotra saika ho isan’andro ny akanjo filalaovana misy ny anaran’izy ireo, indrindra amin’ny fotoana hijerena lalao baolina kitra, dia tsy mba toy izany no hahatazanana an’i Joyce “Andriamanantena Jocelyn” fa saika ny akanjo filalaovana misy ny anaran’ilay mpilalao Malagasy Andriatsima Faneva Ima hatrany no tazana eny aminy rehefa tazana ao anatin’ny kianjan’i Mahamasina ao izy ary hisalorany eny an-dalana koa rehefa andro mafana. Hankafiziko manokana ity lohalaharana Malgasy ity, hoy izy, noho ny fiarahanay tao amin’ny Uscafoot, izy mpilalao izaho filohan’ny Club des supporteurs tao tamin’ny 2005-2007. Reharehako ny mitondra ny akanjo misy ny anaran’Andriatsima Faneva Ima io ary hananako betsaka nefa tiako ihany koa ny mitondra ny akanjo misy ny anarana mpanao baolina Malagasy kalaza.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT