Sport

Andriamahitsinoro Carolus Mpampidi-baolina be indrindra any Arabie Saoudite D-2


  • Zoma 17 Mey 2019

Tapitra tamin’ny alarobia 15 mey 2019 alina teo ny fifaninanana baolina kitra sokajy diviziona faharoa any Arabie Saoudite na ny « Prince Mohammed League » izay hilalaovan’ilay lohalaharana Malagasy " Carolus ".

 

 

 

Nihaona tamin’i Damak Football Club ny Al-adalah Fc ekipa hilalaovany tamin’io ka nibata fandresena 2-0, nitondra an-dry zareo eo amin’ny  laharana faha-3 ao amin’ity sokajy ity. Tafiakatra any amin’ny sokajy  Diviziona voalohany ny klioba ilalaovany amin’ny taona ho avy 2020. Voahosotra ho mpilalao mpampidi-baolina be indrindra tamin’io fifaninanana io any Arabie Saoudite i Carolus. Nahatratra  22 ny baolina matiny ary 7 kosa ny  « Passes décisives » nalefany tamin’ny namany. Inoana fa hitondra hery lehibe ho an’ny Barea Malagasy hiatrika ny CAN 2019 any Egypta ny tenany.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT