Sport

Andriafenosoa Bienvenu Victorio Maniry ho tonga matihanina amin’ny kitra any ivelany


  • Alakamisy 19 Martsa 2020

Feno 12 taona katroka ankehitriny i Andriafenosoa Bienvenu Victorio mianatra ao amin’ny kolejy St Michel Amparibe “Classse de 5eme” ary mazava loatra fa

 

 

milalao baolina kitra sokajy U 13 eo anivon’ny klioba As St Michel ka mitana ny toerana lohalaharana. Fony vao 8 taona monja izy araka ny fitantaran’ny rainy, Randriafenosoa Victor, dia vao 8 taona monja izy dia efa niditra tao amin’ny ecole de foot Net Foot ka i Me Dezy Monstre no mpanazatra azy tamin’izany. Teo amin’ny faha-9 taonany izy dia niangaly ny “foot salle” niaraka tamin’i Me Decker ary nanomboka 10 taona izy no niditra nilalao tao amin’ny ekipan’ny As St Michel Amparibe mandraka ankehitriny. Tena ankafiziny ny lalao baolina kitra, hoy ity rainy ity, fa efa nampanaoviko lomano sy rugby izy fa tsy nahaliana azy loatra ireo taranja ireo fa ity baolina kitra ity ihany no tena masaka ao an-tsainy. Tena tohananay ray aman-dreny izy amin’ny fanaovana fanarazan-tena miatrika an’izany fanaovana baolina kitra izany ary hamporisihako manaoa fanazaran-teny manokana ho azy mihitsy ankoatra ny ataony ao amin’ny kliobany, izaho rainy rahateo amin’ny naha-mpampikotrana rugby ahy fahiny dia manampy ary amin’ny fikotranana mafimafy kokoa. Etsy an-kilan’izay anefa, hoy Randriafenosoa Victor, dia tsy azo atao ambanin-javatra mihitsy ny fianarana atao arahiko maso fatratra ihany koa. Mila mifanindran-dalana  manko ny fianarana sy ny fanaovana baolina kitra, hoy izy, ka tsy maintsy atao 100% ny fianaranana ary atao 100% ihany koa ny filalaovana baolina kitra.  “Tsy maintsy harindra tsara ny fiaranarana sy ny baolina kitra, hoy i  Victorio, ka ny mba hiriako dia ny ho tonga matihanina any ivelany amin’ity lalao baolina kitra ity hanara-dia an’ireo zokiko roa izay efa mianatra any Andafy sady mianatra baolina kitra ao amin’ny ekipan’ny As Monaco ankehitriny. Mino aho fa ho azoko tanterahina tsara izany satria manam-py ahy amin’ny lafiny rehetra indrindra ny ara-pitaovana ilaiko ireo ray aman-dreniko amin’izany”.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT