Andrés Iniesta

Hitsahatra amin’ny filalaovana baolina kitra


  • Alarobia 02 Oktobra 2024

Hitsahatra amin’ny filalaovana baolina kitra i Andrés Iniesta ilay mpilalao kalaza Espaniola sy maneran-tany,

mpilalao malaza tao amin’ny FC Barcelone. Ny 8 oktobra no voalaza fa handehanany hisotro ronono tanteraka, raha ny filazan'ny gazety espaniola. 40 taona i Iniesta ankehitriny, ary tsy manana fifanarahana amin'ny klioba nandritra volana maromaro izay, taorian'ny nandaozany ny ekipany farany, ny Emirates FC Club, ary nanapa-kevitra ny hitsahatra. I Iniesta dia iray amin'ireo mpilalao baolina espaniola isan’ny be mpankasitraka indrindra, namono ny baolina tamin’ny famaranana ny fiadiana ny amboara maneran-tany tamin’ny taona 2010, izay nahazoan’ny Roja ny amboara eran-tany voalohany. Nandray anjara lehibe ihany koa tamin’ny fandresena tamin’ny Euro 2008 sy 2012. Nahatratra 131 ny fandraisany anjara tamin’ny naha ekipam-pirenena Espaniola, ary 14 ny baolina matiny, laharana faha-5 amin'ny lisitry ny mpilalao nandrafitra ny ekipam-pirenena aorian’i Sergio Ramos, Iker Casillas, Sergio Busquets, ary Xavi Hernandez. Amin'ny ankapobeny, nahazo medaly efatra tamin’ny Ligues des Champions, Liga miisa 9, Coupe de Roi 6, Coupe du Monde de Club 3, ary 10 tamin’ny « Supercoupes » ka tamin’ny fiadiana ny amboara eropeana 3 ary 7 kosa tao Espagne. Nahavita lalao 674 tao amin’ny Barcelone izy, namono baolina 57 sy nahavita tolotra tsara135 nanomboka tamin’ny fiandohany tamin’ny 2002 hatramin’ny nialany tamin’ny 2018. Taorian’izay, nandany dimy taona tao amin’ny Vissel Kobe any Japon izy, nanao lalao 134 ka nampidi-baolina 26 sy tolotra 25. Talohan'ny nialany tany Dubaï tamin'ny taona lasa, dia nanampy baolina maty 5 hafa sy tolotra 1 tamin'ny lalao 23. Ny antontan’isa farany tamin’ny zava-bitany dia mitotaly ho lalao 1 016, baolina matiny 107 ny baolina, ary 191 kosa ny tolotra.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT