Vory lanona tetsy amin’ny kianja Malacam ny mpitia baolina lavalava nanatrika ny tohin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga 2017 taranja rugby à XV, omaly alahady 27 aogositra 2017.
Nanomboka nanatanteraka ny fanamby nataony dia ny fanolorana baolina rugby tsirairay avy an’ireo fileovana 9 ao amin’ny D-1 miatrika an’ity fifaninanana ity ny filohan’ny ligy, Ravelojaona Andry La Pie omaly. Teo amin’ny lalao nihaonan’ny 3FB sy TAM dia fantatra fa nirava tsy lera noho ny savorovoro nisy 2 minitra tsy hiravan’ny baolina ny lalaon’ny roa tonta raha nitarika 18-16 ny 3FB tamin’izany.
Vokatr’ireo lalao rehetra tetsy Malacam omaly :
D-1 elite 2 : Usa 11 – 06 Cfa
D-1elite 1 : XV Family 35 – 34 Tfa ; Uasc 32 – 32 Irc ; Soe 15 – 11 Matadore A ; 3Fb 18 – 16 Tam
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.