Sport

Analamanga Rugby Mitohy ny hetsika ho fanalana an-dRamarcel


  • Sabotsy 25 Aogositra 2018

Araka ny efa nambarany tamin’ny fanaovana hetsika fanairana teny amin’ny Makis Andohatapenaka tamin’ny zoma 17 aogositra 2018 teo dia notohizan’ny Analamanga Rugby notarihan’ny filohany,

 

Ravelojaona Andry La Pie niaraka tamin’ny seksiona Antananarivo –Renivohitra notarihan’ny filohany koa sy ireo mpikambana ao amin’ny Ftmrat “Fikambanan’ny tanora mpanao rugby eny ambany tanàna” sy ireo fileovana marobe tonga teny anoloan’ny vavahady fidirana ao amin’ny ANS Ampefiloha tamin’ny alalan’ny fitondrana sora-baventy indray ny hetsika fanesorana amin’ny toerany ny filohan’ny Malagasy Rugby, Ramarcel “Rakotomalala Marcel” izay ambaran-dry zareo fa manimba ny tontolon’ity baolina lavalava ity. Nataony tsinontsinona ity ligin’Analamanga tarihako ity, hoy La Pie, nefa ato aminay avokoa no milalao ny 90 %-n’ireo fileovana milalao rugby ka mba hataonay tsinontsinona koa izy. Ampy izay fa tsy mila fifampiresahana aminy intsony izahay.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT