Sport

Analamanga Rugby Mafanafana eny amin’ny kianjan’i Malacam


  • Talata 12 Septambra 2017

Mafanafana ara-bakiteny ny fanatrehana an’ireo fihaonana rugby fiadiana ny TOP 9 miaraka amin’Analamanga Rugby etsy amin’ny kianjan’i Malacam Antanimena ankehitriny.

 Ny alahady 10 septambra lasa teo, ohatra, dia niseholany tamin’ny lalaon’ny 3Fb sy Tfma Ankasina izany. Tsy nifampitsitsy ireto fileovana ireto teo am-panatanterahana ny fihaonan’izy ireoNaherihery vaika mihitsy ny fifandonana. Vokany, samy nahazo karatra mena i Zo mpilalaon’ny 3Fb sy i Njaka mpilalaon’ny Tfma Ankasina nialoha kely ny fialan-tsasatra ka nilalao 14 hatreo ny ekipa roa tonta. Niditra an-tsehatra nandamin-draharaha mihitsy ny mpitandro ny filaminan’ny FIP.

Ireo vokatra rehetra azo tamin’ny alahady :

Lalao seksiona Vakiniadiana : Fitasoa – Journal (22-20)

Lalao Elite 1 TOP 9 : Uasc – Soe (20.09) ; XV Family – Matadore A (21-20) ; Tfa – Irc (11-13) ; 3Fb – Tfma (24 - 23).

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT