Sport

Analamanga Rugby Hafana ny manasa-dalan’ny Tam Anosibe sy Tfma Ankasina


  • Alakamisy 14 Desambra 2017

Taorian’ny nandreseny ara-teknika ny Tfa Anatihazo tamin’ny lalao “barrage” notontosaina tetsy amin’ny kianja Malacam Antanimena ny alahady 10 desambra 2017 teo dia ny ekipan’ny Tam Anosibe izany no hifanandrina amin’ny Tfma Ankasina eo amin’ny lalao manasa-dalana amin’ny alahady 17 desambra 2017

 

 ho avy izao etsy amin’ny kianja  Malacam Antanimena manomboka amin’ny roa ora sy sasany tolakandro. Tena hafana tokoa ity fihaonana ity satria na dia mifankalala fomba filalao tsara aza ny roa tonta amin’ny  naha mpanazatra ny Tam taloha an-dRaholdina Faneva mpanazatra ny Flesy ankehitriny dia azo ambara fa tsy hifampitsitsy tokoa satria izay mandresy eo no hihaona amin’ny Irc nandavo ny 3Fb 15-12 tamin’ny alahady teo any amin’ny lalao famaranana ny tompondakan’Analamanga Rugby Top 9 2017.

Lalao hafa hialoha ny fihaonanan’ny Tam sy Tfma ity :

7:30-3Fb # Matadore A  (vehivavy)

9:00-Jsm # Rosa (vehivavy)

10:30-Soe # Matadore A (Top 9 classement)

12:00-Uasc # XV Family (Top 9 classement)

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT