Sport

Ampefiloha Nivadika ady ny rugby, fito no naratra


  • Alatsinainy 07 Jona 2010

Fito sy aotra ny isa farany teny amin’ny solaitrabe. Dia niteraka fahatezerana ho an’ireo «aotra» izany ka nikasihany tanana ilay ekipa nandresy, taorian’ny lalao.

Vokany, fito no naratra ka ny iray tena voa mafy. Izay no vokatry ny lalao ara-pirahalahiana izay nitranga tetsy amin’ny Complexe Ampefiloha omaly tolakandro. Ekipa avy ao Andavamamba no nanasa ekipa iray ao 67 ha. Itsy voalohany dia diviziona faharoa raha diviziona fahatelo kosa ilay farany (67 ha, ilay nasaina). Nitsimbadika tanteraka anefa ny rasa fa tsy araka ny lojika neritreretin’ny maro. Resy tanteraka ilay ekipan’ny diviziona faharoa izay sady nanasa rahateo. Niakatra ny hafanam-po ka avy hatrany dia nikasi-tanana ireo resy. Tsy vitan’izany aza fa mbola nandray hazo toy ny «bois rond» sy ny kitay ary izay azo noraisina ireo nentina namonoana ireo mpifaninana taminy. Ary ny tena loza dia niditra an-tsehatra ihany koa ny mpijery ary nidaroka. Voatery nanavotra ny ainy vokatr’izany ilay ekipan’ny 67 ha. Ary soa ihany fa nahay nitsoaka satria efa tena romotra ireo olona nijery sy ireo mpilalao tao. Sady vonton’alahelo no vonton-tahotra ihany koa ireo mpilalao naratra izay nentina teny amin’ny Hjra. Mbola mandrahona be mantsy ireo nidaroka fa hiandry an’izy ireo eny amin’ny elakelan-trano. Manoloana izany dia nametraka fitoriana ny tompon’andraikitry ny ekipa. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT