Sport

Ampahefa-dalan’ny CAN 2019 Handrakotra ny renivohitra anio alina ny polisy 1350


  • Alakamisy 11 Jolay 2019

Ho fitandroana ny filaminana sy ny fandriampahalemana, hidina an-dalambe ny polisim-pirenena anio alina.

Araka ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena manoloana ny mpanao gazety omaly atoandro teo Anosy, manoloana ny fiatrehan’ny Ekipam-pirenena Malagasy BAREA ny taranja baolina kitra ny ampahefa-dalan’ny CAN 2019 dia nisy ny fepetra manokana norasin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka mahakasika ny fitandroana ny  filaminanana anio alakamisy 10 jolay 2019. Araka izany dia polisy miisa 1350 no hiandraikitra ny filaminana eto an-drenivohitra ka  toy ny tamin’ny fotoanan’ny ampahavalon-dalana dia mbola hisy hatrany ny polisy hijoro eny amin’ireny toerana be olona ireny. Hisy ny polisy manokana hisahana ny fifamoivoizana mandritra ny alina tontolo mba hisorohana ny fitohanana. Nanao antso avo ny polisim-pirenena mba tena hiara-kientana ao anaty hafaliana sy amin’ny fifanajana ny Malagasy iray manontolo eo am-panohanana ny ekipam-pirenena Malagasy. Midika izany fa hirindra ny fifamoivoizana. Manantena ihany koa ny any amin’ny renivohi-paritra ny ho toy izany.

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT