Sport

Ampahefa-dalan’ny CAN 2019 Betsaka ny herijika handresen’ny Barea


  • Alarobia 10 Jolay 2019

Efa any Le Caire ny Barean’i Madagasikara amin’izao fotoana, manoman-tena fatratra amin’ny ady goavana hatrehina rahampitso alakamisy 11 jolay hifanandrinana amin’ny Aigles de Carthage ekipam-pirenena Tonizianina eo amin’ny dingana ampahefa-dalan’ny CAN 2019 any Egypte.

 

 Hampiasaina amin’izay ny  VAR (Assistance Vidéo de l'Arbitrage) amin’ny fitantanana sy fitsarana ny lalao manomboka amin’izao ampahefa-dalana izao. Niatrika fiofanana momba io ny Barean’i Madagasikara omaly, ka ny CAF no nizara ny fampiofanana. Vao misy fihetsika hafahafa toy ny baolina maty miteraka adihevitra na fahadisoana ao anatin’ny faritra tsy azo ivalozana, dia tsy hisy adihevitra fa hojerena amin’ny VAR. Vonona tanteraka ny mpilalao, ary vao mainka mampiakatra ny moraly ny fahafahan’i Marco Ilaimaharitra miverina an-kianja rehefa voasazy tsy afaka niatrika ny nifanandrinana tamin’ny RDCongo. Manana herijika lehibe isika, raha ny dingana vita sy ny fahaiza-manaon’ny ekipa sy ny mpanazatra tena mahay miaraka sy manana rindran-damina tsara petrapetraka. Maro ny fanehoan-kevitra milaza fa tsara kokoa amintsika mihitsy no mifandona amin’i Tonizia toy izay i Ghana no tafiakatra teo. Tsy dia naharesy lahatra, ary efa notsotsofina i Tonizia vao tonga tamin’ny dingana ampahavalon-dalana, satria ady sahala avokoa ny lalaony rehetra tany amin’ny lalao isam-bondrona, raha toa “tirs au but” tahaka ny nandavoantsika an’i RD Congo no nandavoany an’i Ghana. Raha ny filaharana maneran-tany farany, dia faha-25 ny Tonizianina, izay laharana faharoa aty Afrika satria i Sénégal no mitana voalohany amin’izao, raha toa ka faha-22 kosa izy ireo eo amin’ny filaharana maneran-tany. I Nizeria dia laharana faha-45 maneran-tany, faha 49 ny RD Congo raha toa ka faha-108 isika, saingy  efa nomentsika lesona avokoa ireny. Ambony ny moralin’ny mpilalaontsika, ary tena matahotra antsika ny Tonizianina. Irariana hitohy ny fahombiazana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT