Sport

Ampahefa-dalana CAN 2019 Hifandona amin’i Madagasikara i Tonizia


  • Talata 09 Jolay 2019

Anisan’ireo ekipa goavana nihintsana ihany koa omaly ny Blackstars an’i Ghana resin’i Tonizia tamin’ny alalan’ny “Tirs au but” 5 – 4 rehefa nanao ady sahala 1-1 ny roa tonta tao anatin’ny 90 minitra sy taorian’ny fanalavam-potoana.

 

 

 

I Madagasikara sy Tonizia izany no hifandona ao anatin’ny lalao ampahefa-dalana ny alakamisy 11 jolay ho avy izao amin’ny 10 ora alina ora eto Madagasikara. Tsy nahovoka ny elefantan’i Cote d’Ivoire ihany koa omaly ny voromaherin’i Mali izay hita fa somary sahirana ireo mpanafika sy irakiraka. Nanindry ny  Ivoarianina ka vokany 1- 0 ny baolina ka hiatrika ampahefa-dalana hifanandrina amin’i Algerie ny alakamisy ho avy izao i Cote d’Ivoire. Etsy an-kilan’izay dia ireo vodilaharana 4 mirahalahy, Romain Metanire, Thomas Fontaine, Jérome Mombris, Pascal Razak, izany sisa izao no andrasana hanoratra ao anatin’ny bokin’ny baolina maty. Raha mijery ny filalaon’ny Barea hatreto aloha dia manana firaisan-tsaina sy fahaizana miara-milalao ny Malagasy. Toa vazivazy zaritenany ihany ny hoe mamono baolina daholo ny mpilalao 11 vao mandao ny tompondakan’i Afrika isika. anisany ny mpiandry tsatokazo, Adrien Melvin. Faran’izay ambony ny toe-tsaina handresy ho an’ny Barea Malagasy amin’izao fotoana hiatrika ny ampahefa-dalana amin’io alakamisy io.

CAN 2019 Lalao ampahefa-dalana :

Alarobia

Senegal # Benin

Nigeria # Afrique du Sud

Alakamisy

Cote d’Ivoire # Algerie

Madagasikara # Tunisie

 

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT