Sport

Ambohidratrimo Natomboka ny « Asa Avotra Mirindra »


  • Alarobia 08 Novambra 2017

Nahazo tombontsoa avy amin’ny Asa Avotra Mirindra tarihan’ny minisiteran’ny mponina sy ny fampiroboroboana ny vehivavy indray ny distrikan’Ambohidratrimo – Antananarivo.

 500 isan’andro ireo olona tonga nandray anjara mavitrika tamin’ny hetsika izay naharitra telo andro. Raim-pianakaviana sy renim-pianakaviana manodidina ny 1500 no niasa sady nahazo 5.000 Ariary isan’andro. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa asa tanamaro (HIMO) ataon’ny minisiteran’ny mponina manerana an’i Madagasikara ity natao tany Ambohidratrimo ity izay hetsika hanampiana ny olona sady hanadiovana ny tanàna. Anisan’ny asa notanterahana tao Ambohidratrimo, ohatra, ny fanadiovana sy fampandehanana ny lakandrano iray ilaina amin’ny fiompiana trondro hamelona olona 75. Lakan-drano 2000 m hafa ihany koa no nodiovina mba hanamorana ny fanondrahana tanimbary 250 Ha ao amin’ny fokontanin’Antanetibe, Ambohitsilazaina ary Andranovelona ao amin’ny kaominin’i Mananjara Mahitsy. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny asa ny minisitry ny mponina Onitiana Realy izay namerimberina hatrany fa ilaina ny fifanomezan-tanana sy ny fandraisan’andraikitra raha te hivoatra sy handroso. Tsy maintsy karohana hatrany ny vahaolana fa tsy mitarain-tana-miepaka fotsiny na mifanakiana am-pitoerana. Fanombohana sy fitarihana no ataon’ny minisiteran’ny mponina fa anjaran’ireo mponina amin’ireo faritra maro nanaovana ny tetikasa Asa Avotra Mirindra ny miasa amin’izay avy amin’ireo fanampiana nomena azy ireo mba hialan’izy ireo miandalana amin’ny fahantrana amin’ny alalan’ny asa. Tazana teny an-toerana ihany koa moa ny depioten’Ambohidratrimo Luc Ratsimbazafy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT