AMBOASARY ATSIMO

Lehilahy 42 taona mpamatsy rongony voasambotra


  • Alatsinainy 29 Janoary 2024

Lehilahy iray 42 taona no saron’ny polisy avy ao Kaomisarian’ Amboasary Atsimo

nivarotra sy nifoka rongony tao amin’ny Fokontany Tanambao ny 24 Janoary lasa teo. Tao anatin'ny fisafoana nataon'ny Polisim-pirenena no nahatrarana azy io. Somary kaodikaody mantsy izy raha vantany vao nahita ireto farany. Teo no nahafantarana fa fonosan-drongony miisa 11 sy rongony manodidina ny antsasa-kilao mbola tsy voafono no hita teny aminy. Nandritra ny fanotaniana napetraka taminy no nilazany fa hoamidiny ireo zava-mahadomelina ireo ary fohany kosa ny tombony azony. Ity lehilahy ity no mpamatsy ny tampon -tananan’Amboasary Atsimo amin’ny fivarotana rongony. Efa naiditra am-ponja vonjimaika moa ilay ranamana ity, hoy ny vaovao azo.
Pati
Legende : Niampy iray indray ny mpivaro-drongony naiditra am-ponja !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT