Sport

Amboaran’ny « Telma Coupe de Madagascar 2018 » Tsy maintsy horombahin’ny Elgeco Plus hoy Alfred filohany


  • Sabotsy 29 Septambra 2018

Handrasan’ny mpitia baolina kitra Malagasy fatratra ireo lalao manasa-dalana roa ho tontosaina etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina rahampitso alahady 30

 

 

septambra ka amin’ny 12 : 30-AS ADEMA Analamanga hihaona amin’ny USCAFOOT Analamanga ary amin’ny 14 : 30 kosa : CNAPS SPORT Itasy hifanandrina amin’ny  ELGECO PLUS Analamanga. Nanambara tamin’ny firesadresahana taminy Atoa Randriamanampisoa Alfred filohan’ny Elgeco Plus fa tsy maintsy horombahiny ity amboara ity fa efa hatrany amin’ny fiandohan’ny taona no nanomanan-dry zareo azy ary efa voahitsy ny lesoka teo amin’ny resaka mpanazatra tsy nahitam-pahombiazana tamin’ny Champion’s League Malagasy 2018. Tsy maintsy hahafaty baolina izahay rahampitso, hoy izy, ary tsy hiandry ny fotoana farany amin’ny fandakana penality sanatria fa hampiditra izany ao anatin’ny fotoana ara-dalàna.

Tsetsatsetra tsy aritra no ilazana fa nosazian’ny CAF tsy azo hanatanterahana

 baolina kitra iraisam-pirenena ity kianjan’i Mahamasina ity noho ny zava-nitranga tamin’ny lalaon’ny Barea sy Senegal farany teo ka nahafatesana olona 1 ary naharatrana olona niisa 37. Voasazy handoa onitra  10.000 dolara ihany koa ny Federasion’ny baolina kitra Malagasy.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT