Sport

Amboaran’ny kaonfederasionina 2021 Resy an-tanàna 3 noho 0 ny CFFA


  • Alatsinainy 18 Oktobra 2021

Hita ho adin’ny samy tekinisianina ihany ny fihaonana teo amin’ny CFFA avy etsy Andoharanofotsy sy ny Grupo Desportivo Interclube avy atsy Angola nandritry ny lalao mandroso teo amin’ny

 1/16n-dalan’ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasionina 2021 eo amin’ny taranja baolina kitra tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina omaly. Hita ho nanatombo lavitra na izany aza ry zareo angoley izay entin’ilay mpanazatra Espano-brezilianina, Beto Biancho, ary havanana tao anatin’ny fiainana ny atao hoe valim-panafihana na “contre attaque” satria dia valin’ady avokoa no nampikobana ny harato Malagasy ka naha montsana antsika an-jaridaina tamin’ny isa 3 noho 0. Vao 13 minitra nanombohan’ny lalao dia efa nitarika tamin’ny isa 2 noho 0 ry zareo vahiny, izany hoe naha tontosa 100% ny fanafihany, raha toa nandamoaka kosa ny an’ny Malagasy. Tsikaritra ho nisy fikoropahana teo anivon’ny mpilalao Malagasy, indrindra, ny fidirana faharoa ary dia mora tamin-drizareo angoley hatrany ny nametraka endri-dalao mirindra ka nahitany ny baolina faha 3. Niezaka nifehy ny lalao kosa ny Malagasy, 10 minitra farany taorian’ny nahafatesan’io baolina faha 3 io saingy hita ho mbola mahantra mpanafika sy lohalaharana isika, hany ka tsy tafita hatrany ny fanafihana. Sarotra ny hanarina iny fahavoazana iny rehefa tonga any Luanda ny faha 22 ny volana izao saingy boribory moa ny baolina, hoy ny fitenenana ka ho hita eo. Hita ho nametraka fahatokisan-tena tanteraka ny mpanazatra, Titi Rasoanaivo, nialoha ity lalao ity, ary raha ny fipetrany ara-tekinika kosa aloha dia nanatombo teo amin’ny fanomanana ny Malagasy satria ny marainan’ny sabotsy teo no nigadona teto amintsika ireo mpilalao vahiny raha toa ka omaly alahady no nanatontosana ny lalao. Avo, noho izany, ny herijika mbola ahitan’ny Angoley fandresena any an-taniny saingy miandrandra ny baolina mba ho faran’izay boribory izany isika aloha.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT