Sport

Amboaran’ny CAF 2018 Lavon’ny Kaizer Chiefs 3-0 ny Elgeco Plus


  • Alatsinainy 17 Desambra 2018

Lavon’ny ekipan’ny Kaizer Chiefs Afrika Atsimo 3-0 ny Elgeco Plus Malagasy tamin’ny sabotsy 15 desambra 2018 eo amin’ny lalao 1/32-ndalana mandroso amin’ny fiadiana ny Amboaran’ny Caf 2018.

 

Baolina matin’i Zulu n °22 teo amin’ny minitra faha-33 sy matin’i Leonardo Castro n°8 teo amin’ny 86 minitra sy 90 minitra no niantoka ny fandresen-dry zareo Afrikanina Tatsimo. Ho mafimafy, araka izany, ny hahazo ny ekipa Malagasy amin’ny lalao miverina hotontosaina amin’ny sabotsy 22 desambra 2018 etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT