Sport

Amboaran’i Afrika 2018 Hanainga anio hariva ho any Kenya ny Fosa Juniors


  • Alakamisy 08 Febroary 2018

Hanainga anio harivan’ny alakamisy 08 febroary 2018 ho atsy Kenya ny mpilalaon’ny Fosa Juniors tompon’ny amboaran’i Madagasikara 2017 hiatrika ny ekipan’ny Afc Léopards avy any Kenya eo amin’ny dingan’ny lalao savaranonandon’ny fiadiana ny amboaran’ny CAF 2018 lalao mandroso ho tontosaina any Nairobi rahampitso zoma 09 febroary 2018.

 

 Omaly alarobia dia mbola tazana nanao fanarazantena farany tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina mialohan’ny hiangana ho any Kenya ry zareo ka nanamarihan’ireo mpazatra tarihan’ilay Holandey, Bob Kootwijk, fa vonona tanteraka ara-moraly sy ara-batana ny mpilalaon’ny Fosa rehetra ary anisan’ny nampiakatra ny moraly ny fahazoana ady sahala 3-3 tamin’ny fihaonana nifanandrinana tamin’ny ekipa voafantin’Analamanga ny sabotsy lasa teo tetsyMahamasina. Marihana fa tamin’ny tapabolana lasa izay dia efa nanao fitsidihana tany Kenya nijery ny toerana ho vantanina ny delegasiona avy ao amin’ny Fosa Juniors ary koa nanara-maso akaiky ny filalaon-dry zareo Afc Léopards izay ho toherina amin’ny hakingan’ny mpilalao Malagasy satria hita fa somary miadam-pilalao ihany ry zareo. Efa matotra ny filalaovana miaraka amin’i Nono Vonimbola ao amin’ny lohalaharana ao, hoy i Dax kapitenin’ity ekipa Malagasy ity.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT