Sport

Amboaran’ny filoha Nihintsana avokoa ny 3FB, Cosfa ary IRC


  • Alatsinainy 08 Jona 2015

Maro no diso hevitra raha ny vokatry ny ampahefadalan’ny fiadiana ny amboaran’ny filoha natao teny amin’ny kianjan’ny Makis omaly tontolo andro. Isan’ireo nihintsana avy hatrany ny 3FB; tompondakan’i Madagasikara farany izay lavon’ny UAS Cheminots tamin’ny isa 15-12

 

. Tena tsy nampoizin’ny maro koa fa ny Iarivo RC izay tompon’ny anaramboninahitra farany dia lavon’ny TF Anatihazo tamin’ny isa 19-17 ary efa nitarika tamin’ny isa 8-7 ny Pilo menakely teo ampialan-tsasatra. Ny Cosfa tompondakan’i Madagasikara lefitra ihany koa dia nahongan’ny TFM Ankasina tamin’ny isa 6-3. Nahazo ny tapakilan’ny manasadalana voalohany moa ny FT Manjakaray izay nampiondrika an’ny STM tamin’ny isa 27-24. Ny alahady izao dia efa hiditra amin’ny manasadalana ireo fileovana efatra nahazo fandresena omaly ka i Manjakaray hifandona amin’ny Besetroka andaniny ary ankilany ny Flesy hifanandrina amin’ny TFA. Hanao fiandian-toerana kosa ireo ekipa efa resy.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT