Sport

Amboaran`ny CAF Nandresy fa tsy tafita ny Fosa Juniors


  • Alakamisy 19 Aprily 2018

Na dia nandavo ny Aduana Stars avy any Ghana tamin`ny isa 2 noho 1 aza ny Fosa Juniors tany amin’ny Kianja Rabemananjara Mahajanga omaly, nandritra ny fihaonana miverina teo amin`ny lalao 1/16n-dalana,

hiadiana ny ``Amboaran`ny CAF`` dia tapitra hatreo ny dian`izy ireo. Fanafihana totoafo no nataon`ny ekipan`i Bob ary nanao izay ho afany mihitsy, hany ka teo amin’ny minitra faha-4 dia efa naampidi-baolina iray tamin’ny alalan’ny penality. Mbola nahafaty baolina iray faharoa ny Malagasy, saingy nampihena ny herijikantsika ny nahatafidiran’ny mpifanandrina baolina iray. Marihana fa efa niondrika tamin’ny isa 6-1 isika nandritra ny fihaonana mandroso ka nila nandresy 5 no ho 0 ny Fosa Juniors raha te hanohy ny diany, kanefa tsy ampy niakarana tany amin’ny dingana manaraka ny fandresena omaly. Na izany na tsy izany, dia mendrika ny Fosa Juniors, ary nahavita dingana lehibe sahady teo amin’ny sehatry ny baolina kitra, raha tarafina amin’ny fotoana nijoroany.


Ntsoavina Evariste   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT