Amboaran'i Madagasikara

Mbola mety hiverina hidona ny Disciples sy ny Elgeco


  • Alakamisy 04 Jolay 2024

Ho tontosaina anio alakamisy 04 jolay etsy amin'ny kianja By Pass

ireo lalao manasa-dalana roa fiadiana ny Amboaran'i Madagasikara. Lalao tokana ho an'ny CFFA io mba hanavotany ny taom-pilalaovany. Io tokoa mantsy sisa no heveriny hanarenana ny ekipa izay tsy dia tazana intsony. Ny olana anefa dia hidona amin'ny taolana indray ny CFFA satria ny Disciples FC no hifandona aminy manomboka amin'ny 10 ora. Tena ho sarotra satria mivonona ny hanao poa-droa koa ry zareo Betafo ireto. Rehefa afaka tamin'ny Elgeco Plus sy ny mpitsara mantsy dia tena azo eritreretina ny mandresy ny CFFA na dia ekipan'ny filohan'ny ligy Analamanga sady filoha ny CFEM. Efa zatra tsindrian'ny mpitsara izahay ka efa mivonona amin'ny angady sy ny harona, hoy ny mpanohana ny Disciples. Ny manasa-dalana faharoa kosa dia hanomboka amin'ny 2 ora eo amin'io kianja io ihany. Ara-taratasy aloha dia tokony ho afaka ny Elgeco Plus izay manana fiarovantena tsara misy an'i Nina mpiandry tsatokazo sy Tony ary Datsiry izay niverina ihany taorianan'ny fifampiresahana tamin'ny filoha mpanorina Alfred Randriamanampisoa. Ny tena ho sahirana angamba dia i Johnny izay sady teknisiana ao amin'ny Elgeco Plus no mbola milalao ao amin'ny Inate FC Rouge. Na ao na any amin'ny ankilana anefa dia samy olona manankatao ka tena mety mafy ho an'i Johnny Be ny safidy. Na izany na tsy izany dia tena hiady ny baolina satria samy mafy ireo ka tsy ho vitan'ny totohondry vola.Ary izay no ilaina satria tena manimba saina rehefa ny mpitsara no mitanila toa ny nataon'i Ali Tibotibo farany teo tamin'ny alahady.Mahagaga ihany fa Tibotibo rainy anie ka mpitsara iraisam-pirenena tena nahafehy ny asany.Sa ve noho ny fiainana tena mihasarotra ?
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT