Nifarana teo amin’ny dingan’ny savaranonando ny dian’ny As Adema amin’ny fiatrehany ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika.
Niafara tamin’ny sahala tsy nisy nitoko mantsy ny vokatry ny fihaonan’ity ekipa tompon’amboaran’i Madagasikara ity tamin’ny Lengthens avy any Zimbabwe ny sabotsy teo tetsy Mahamasina. Tsiahivina fa efa resy 2-1 ny ekipan’Ivato tamin’ny lalao mandroso natao tany Harare, tapa-bolana lasa. Tamin’ny ankapobeny dia nanindry ny Malagasy nandritra ny 90 minitra nilalaovana saingy namorika hatrany teo amin’ny famaranana ny fanafihana. Tetsy an-kilany ny vahiny tsy sasatry ny nandany fotoana mody nitsirara na tsy voadona akory aza ary dia niasa mafy mihitsy ny filanjanan’ny vokovoko mena. Tsy hain’ny ekipan’ny seranana koa ny nanararaotra ny mpifanandrina izay nilalao folo nanomboka teo amin’ny minitra faha-60 rehefa nahazo karatra mavo indroa nisesy ny mpilalaony iray. “Nikoropaka loatra na niahotra teo amin’ny famonoam-baolina ireo mpilalao rehefa maika loatra nitady ilay isa tokana tokony ho nahazoana ny fandresena” araka ny fanazavan’ny mpanazatra Rajaonarisamba Franck. Hiverina hiatrika ny fifaninanana eto an-toerana indray izany ny As Adema.
Hery Rabe
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.