AMBOARA PIERRE CASTEL

Tohanan’ny orinasa STAR hatrany


  • Alarobia 06 Martsa 2024

Mpandresy efatra tamin'ny amboara Pierre CASTEL andiany teo aloha no afaka

nampisandrahaka ny varotra hataony amin’ny tsena lehibe noho ny fanohanan’ny orinasa STAR azy ireo. Nanatrika ny fampahafantarana ny fiaraha-miasan’ny telo tonta tetsy amin’ny CARREFOUR Ankorondrano ny mpanao gazety omaly Talata 05 Martsa.Taorian’ny fampiofanana sy ny fanohanana ara-bola natolotry ny Fondation Pierre CASTEL ho an’ireo mpandresy tamin’ny andiany 2022 sy 2023 : Honey of Madagascar (fanangonana, fanodinana, fivarotana ary fanondranana tantely sy vokatra azo avy amin’izany), Tiava (famokarana totom-boanjo natoraly, mamy sy masira ), Kassava (famokarana lafarinina mangahazo ho lasa vokatra azo hohanina avy hatrany) ary ny orinasa Moli Company (fanangonana, fanodinana ary fivarotana kafe, voatoto ary amin’ny kapsily), dia mampiranty sy mivarotra ny vokatra vokariny amin’ny magazay CARREFOUR miisa roa eto Antananarivo dia ny ao amin’ny Score Digue & Carrefour Ankorondrano izy ireo. Misitraka toerana manokana izy ireo ho mora hahitan’ny mpanjifa ny vokatra “Vita Malagasy”. Ity fanohanana avy amin'ny STAR ity dia mikendry ny fampiroboroboana ara-barotra ho an'ny mpandresy rehetra amin'ny alalan’ny fampifandraisana azy ireo amin'ireo mpiara-miombon'antoka sy mpampiasa vola azo antoka. Mbola hitohy ihany koa izany fanohanana izany ho an’ireo mpandresy hafa.Ankoatra izay, misokatra manomboka ny 01 martsa ka hatramin’ny 15 Aprily izao ny andiany vaovao 2024, hiantsoana ireo mpandraharaha malagasy rehetra 18 ka hatramin’ny 45 taona misehatra eo amin’ny fambolena sy fiompiana hanolotra ny tetikasany. Raha tsiahivina, hahazo tombony amin’izany ireo enina mendrika amin’ity andiany vaovao ity: Vola mitentina €15,000 no ho azon’ny laharana voalohany miampy fanohanana ary programa fanofanana. 10.000 euros ny an’ny faharoa, programa fanofanana. Toerana faha-3 hatramin’ny faha-6 kosa ny fiofanana momba ny fandraharahana voamarina momba ny e-learning miaraka amin’ny Foibe Ara-barotra Iraisam-pirenena Geneva (ITC) ary fandraisana anjara mivantana amin’ny loka Young Espoirs.
Pati
Legende : Nandritra ny fampahafantarana ny vokatra novokarin’ireo mpandresy omaly !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT