Sport

Amboara eran-tany Basketball U-19 Etazonia no hifandona voalohany amin’ i Madagasikara


  • Talata 28 Martsa 2023

Hihaona avy hatrany amin’ny tompon’ny amboara eran-tany amin’ny Basketball ny Ankoay vao manomboka. Etazonia

no hifanandrina amin’ny Malagasy amin’ny lalao isam-bondrona ny 24 jona 2023 ho avy izao raha ny nambaran’ny Federasiona Malagasy ny Basketball (Fmbb). Any Debrecen, Hongrie no hanatanterahina ity fiadiana ny amboara eran-tany ity. Voalohany mandray anjara amina sehatra ambony iraisam-pirenena tahaka izao moa ny ekipam-pirenena Malagasy, Ankoay izay mitana ny laharana faharoa aty Afrika ao aorian’i Egypte voalohany. Etsy ankilany heverina ho manana traikefa kokoa ry zareo Amerikanina noho izy ireo efa zatra mandray anjara amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany sy efa nandrombaka izany mihitsy ; azo ambara ihany koa fa efa anisan’ny kolontsain’ny Amerikanina ny baskety. Etsy ankilany ny fanomanana kosa no hery ho an’i Malagasy. Azo lazaina fa tsara ity vondrona misy ny Ankoay ity ary azo antenaina ny Malagasy amin’ity fifaninanana ity , hoy ny tale teknika nasionaly.Manana ny fahalemeny amin’ny lafiny samihafa ny Ankoay saingy azo arenina miandalana mandritry ny fifampivondronana. Manana ny mahamafy antsika ihany koa anefa isika. Hifanandrina amin’ny Liban kosa ny Ankoay aorian’ny fihaonana amin’i Etazonia ny 25 jona 2023 ho avy izao, ary Slovenia kosa no hifanandrina aminy farany eo amin’ny lalao isam-bondrona ny 27 jona 2023.
Princy Lucas
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT