Sport

Amboara basikety « Tournoi Somaroho 2018 » Lasan’ny Ascb Boeny lehilahy sy Mb2All Analamanga vehivavy


  • Talata 07 Aogositra 2018

Namarana ny hetsika “Festival Somaroho 2018” andiany faha-5 notontosaina tany Nosy-Be Hell Ville ny 1-5 aogositra teo ny lalao basikety “Tournoi Somaroho 2018”.

Nandrombaka ny amboara teo amin’ny sokajy Sénior lehilahy, nahitana mpifaninana 11: Ascb Boeny, Bcm Mayotte, Mb2All Analamanga, Cosfa Analamanga, Ekipa voafantin’i Nosy-Be, Ascut Toamasina, St-Denis La Réunion, Grèce, Cosmos Diana ary Gnbc Vakinankaratra, ny Ascb “Association sportive et culturelle de Boeny” efa nandrombaka ny amboara tamin’ny taon-dasa ka nandavo inday ny Gnbc Vakinankaratra  (76-73) tamin’ity 2018 ity, teo amin’ny senior vehivavy kosa dia ny Mb2All Analamanga nandavo ny Ascut (57-43). Nahery kosa teo amin’ny veteran lehilahy ny Bbcm Analamanga nandresy ny ekipa voafantin’i Nosy-Be (50-40). Voahosotra ho mpilalao mendrika teo amin’ny sokajy senior lehilahy i  Livio mpilalaon’ny ASCB Boeny, teo amin’ny sokajy senior vehivavy koa dia i Sidonie mpilalaon’n MB2ALL Analamanga.

Marihana fa nikarakara an’ity lalao basikety ity ny fikambanana “Amoureux du Basket”.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT