Sport

Ambanin’Ampamarinana Manahy ny ho very tany ireo afindra monina


  • Alakamisy 07 Febroary 2019

Mampiahotra ireo mponina hiala eny amin’ny faritry ny loza, Ambanin’Ampamarinana ny fananan’izy ireo, indrindra ny tany.

 

«Atahoranay fa rehefa miala izahay ho lasan’ny olona ny taninay, indrindra ao anatin’iny faritra mena iny izay efa nalefa any amin’ny fokontany ny karne. Tokony halana ny vato  dia miverina izahay. Fa raha alana izahay dia tsy tany hanorenana fa trano no ilainay. Raha ilaozana koa ny entana, manahirana, satria tamin’ny alatsinainy izao efa alina vao tonga ny mpitandro ny filaminana. Raha taomina anefa telo alina Ariary ny indray mitatitra, ary tery ny  tranolay misy anay eto amin’ny INFP. Tsy fantatra koa hoe : “mandra-pahoviana izahay no eto amin’ny INFP, kianja mitafo ety  Mahamasina ?”, hoy ny raim-pianakaviana iray, Jaona Fabien Andriandrafimparany, izay nilaza ho mpitondra tenin’ny madinika.

Nomen’ny fitondrana mahefa ny talata teo, hatramin’ny anio alakamisy ireo mponina mba hisintaka ny faritra mena. Marihina moa fa lazain’izy ireo ho tampoka izany  ka nanatanteraka ny hetsika ho fanoherana izany ireo mponina, mbola nitohy omaly. Efa saika isan-taona amin’ny fahavaratra toy izao no nahitana fihotsahana, hoy izy ireo. Efa ela no nivory niangavy ny fitondrana  hanala ny vato mandondona ny mponina sy ny zavamaniry saingy tsy nisy nandray ny hetahetanay, araka ny filazan’ny mponina sasany izay nivory teny Ambanin’Ampamarinana sy Ankadilalana, omaly tolakandro.

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT