Amada sy Njiva

Misedra fahasahiranana


  • Zoma 31 Mey 2024

Samy milalao ao amin’ny Ratchaburu FC, divizionina voalohany ao Thailand eo amin’ny taranja baolina kitra,

moa ilay lohalaharana malagasy, Njiva Rakotoharimalala, sy ilay irakiraka afovoany, Ibrahim Amada, izay voaantso handrafitra indray ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara amin’ireo lalao miisa 2 manomboka ny 7 jona izao ho tohin’ny fiadiana ny tapakila ho amin’ny amboara eran-tany ny taona 2026. Samy misedra fahasahiranana amin’izao fotoana izao izy mirahalahy ireto, raha ny vaovao voaray eo anivon’ity klioba ity, satria dia efa ho 5 volana izao i Njiva no tsy afa-niatrika na dia fanazaran-tena akory noho ny ratra nahazo azy ny volana desambra 2023. Etsy ankilany koa dia ny 5 may teo no nahitana an’i Ibrahim niakatra kianja farany ary dia tsy tazana intsony koa izy taorian’izay na dia fanazarantena aza, izany hoe efa ho iray volana tsy nanao fanazarantena nefa voaantso hiverina handrafitra ny ekipam-pirenena amin’izao faha 34 taonany izao. Tsy fantatra mazava moa hatreto ny tena antony na mbola fiverenan’ny ratra nahazo azy tamin’ny 3 volana ihany koa na tena tsy faharesen-dahatry ny mpanazatra aminy intsony. Fanontaniana mipetraka koa aza ny hoe sa sanatria nivarina mpilalao fiandry na «réserve» mihitsy ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Lamba
  • Zoma 27 Novambra 2026

maloton'ny FMF

  • Tsipy
  • Alakamisy 26 Novambra 2026

kanetibe

  • Taranja
  • Alarobia 25 Novambra 2026

Tsipy Kanetibe

  • Coupe du
  • Talata 24 Novambra 2026

monde de pétanque

  • Rayan Raveloson
  • Talata 24 Novambra 2026

Nangidy ny herinandro

  • Filazàna fa
  • Zoma 20 Novambra 2026

mandeha ny fitantanana ny kitra malagasy

Hijery ny tohiny
FTT