Alexandre Ramalingom

Mpamono baolina be indrindra an’i Sabail FK


  • Talata 09 Jolay 2024

Na dia taom-pilalaovana tokana aza no niarahan’ilay lohalaharana malagasy eo amin’ny

taranja baolina kitra, Alexandre Ramalingom, sy ny klioban’i Sabail FK, divizionina voalohany ao Azerbaïdjan, dia azo ambara ho nametraka ny dian-tanany teo anivon’izany klioba izany ity mpilalao ity ao anatin’izao faha 31 taonany izao. Baolina miisa 7 no matiny tao anatin’ireo lalao miisa 38 nataony. Nahavita nanome tolotra tsy azo ivalozana na «passe décisive» iray izy. Mpilalao fahatelo tsara naoty indrindra. Mpamono baolina betsaka indrindra eo anivon’ny klioba ihany koa izy. Nahazo naoty 23/24 Laharana faharoa kosa eo amin’izay famonoam-baolina izay, raha ny mikasika ny fifaninanam-pirenena ao an-toerana na ny Premyer Liqa no resahana. Faha 6 amin’ireo mpilalao ampiasain’ny kliobany indrindra ny lehilahy raha iny taom-pilalaovana farany teo iny hatrany no resahana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray mikasika ny tombana natao taminy.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT