Alexandre Ramalingom

10 andro tsy nisy klioba


  • Zoma 11 Jolay 2025

10 andro katroka anio no tsy nananan’ilay lohalaharana malagasy, Alexandre Ramalingom,

klioba intsony, raha toa ka nofaranana ny 1 jolay 2025 teo ny fifanarahany tamin’ny Bnei Sakhnin, divizionina voalohany ao Israely. 32 taona ankehitriny ity mpilalao baolina kitra mirefy 1,77 metatra ity. Raha ny sandam-bidiny eo amin’ny tsena iraisampirenena na «valeur marchande» fantatra farany dia mitentina 325.000 Euro ity mpilalao ity. Isan’ireo efa nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy moa ny lehilahy ary isan’ny tena mahavoatsikera azy matetika ny resaka hafainganam-pandeha izay somary mavesatra na ilay miandry baolina fotsiny, hoy ireo mpijery. Na izany na tsy izany dia azo lazaina ho nitondra fivoarana ho azy ity klioba nisy azy farany ity taorian’ireo klioba sokajiana ho tsy matihanina na «amateur» nilalaovany tao Frantsa. 10 andro tsy nisy klioba hatreto ny lehilahy ary hirariana, araka izany, ny ahitàny klioba tsaratsara kokoa manomboka amin’ity herinandro manaraka ho diavintsika ity.
Nangonin’i J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT