Akon’ny Euro 2024

Tafita amin’ny 1


  • Alakamisy 20 Jona 2024

Mafana hatrany ny fiadiana izay ho tompondakan’i Eoropa eo amin’ny baolina kitra na ny « Euro 2024 »

izay hiditra sahady amin’ny herinandro faharoa. Efa nanomboka niditra tamin’ny lalao faharoa omaly, ka ho an’ny Vondrona A dia i Allemagne mpampiantrano no nahazo ny tapakila voalohany ho an’ny ampahefa-dàlana satria nandresy 2-0 indray izy ireo omaly teo amin’ny andro faharoa nanoloana an’i Hongrie, ka ilay mpilalao vao erotrerony Musiala mpilalaon’ny Bayern Munich sy ny Kapiteny Gundugan mpilalaon’ny FC Barcelone no nampiditra ny baolina. Mipetraka hatrany izany hatreto ny maha maozatra sy isan’ny « favoris » an-dry Rainiboto. Ho an’ny Vondrona B kosa, miozongozona ary tena ratsy toerana i Croitie. Taorian’ny faharesena 3-0 nanoloana an’i Allemagne, dia voatazon’i Albanie 2-2 ry Luca Modric sy ny ekipany. I Albanie no nampiditra isa, ary voasala sy nampian’ny Croites iray, saingy tratra sahala tany amin’ny ora farany. Mbola i Italie ihany koa anefa no miandry azy any amin’ny lalao fahatelo farany, ary na mety handresy aza mety hiankina amin’ny lalao hafa. Isan’ny mampiavaka ity Euro ity ny famitana sy fisongadinan’ireo mpilalao tanora satria montsan'ilay mpilalao Tiorka vao 19 taona Arda Güler ny zava-bitan'i CR 7 tamin'ny 2004 eo amin’ny mpilalao tanora indrindra namono baolina tao anatin’ny Euro. I Arda Güler (19 taona+114 andro) izay milalao ao amin’ny Real Madrid indray mantsy hatreto no mpilalao tanora indrindra nahatafiditra baolina nandritra ny lalao voalohany nandraisany anjara tamin'ny UEFA Euro taorian'i Cristiano Ronaldo (19 taona+128 andro) tamin'ny taona 2004. Ny ekipan’i Turquie izay nanomontsana 3-1 i Georgie ka ity mpilalao ity no nampiditra ny baolina tsara dia tsara faharoa. Na izany aza, mety mbola ho montsana io tanora indrindra nampiditra baolina io satria mandindona mafy ilay Espaniola Lamine Yamal mpilalaon’ny FC Barcelone vao 16 taona, izay efa nahavita « passe décisive » na tolotra iray nitondra fahafatesan’ny baolina tamin’ny lalaon’i Espagne sy Croitie. Andaniny, nivoaka sempotra 2-1 kosa i Portugal nanoloana an'i République Tchèque satria efa tany fotoana fanampiny no nahataditra ny baolina nitondra ny fandresena ho azy ny ekipan'i Cristiano Ronaldo ny alin’ny talata teo. I Cristiano Ronaldo moa raha tsiahivina no mpilalao mandray anjara im-betsaka indrindra amin’ity Euro 2024 ity satria efa fanineniny izao, ary heverina fa farany ho azy satria efa 39 taona ny tenany.
Toky R
Légende : Musiala, Arda Güler, ary Lamine Yamal, anisan’ireo mpilalao tanora indrindra misongadina ao anatin’ny Euro 2024
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT