F’inona daholo ity manalokaloka ny Lalaon’ny Nosy andiany fah-9 atao any La Réunion ity ? Taorian’ireo fifanjevoana ara-diplaomasia dia zavatra hafa mhitsy koa no mitranga. Saika niharan-doza mantsy ny fiaramanidina nisy ny andian’ny delegsiona farany niainga ny alakamisy alina teo.
Tokony ho tamin’ny 7 ora hariva no nanainga ny fiaramanidin’ny Air Madagasikara MD 194 izay nisy ireo mpanao gazety dimy mianadahy saika mbola hamonjy ny lalaon’ny Nosy nahitana an’Andriamaharo Daniel, Ramarolahy Tsitohaina samy avy amin’ny RNM, Ratsimbazafy Haja TVM, Tanjona Devaux avy amin’ny Midi Madagasikara ary Soafara Ralaimidona avy amin’ny L’Express de Madagascar. Ankoatra ireo dia anisan’ny tao anatin’io fiaramanidina io koa ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny lomano sy ireo mpikatroka amin’ny “canne de combat” hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena any La Réunion, ankoatra ireo mpandeha maro hafa. Marihina fa efa ny talata teo, avy eo ny alarobia no efa tokony ho nandeha ireo delegasionin’ny Lalaon’ny nosy ireo fa nofoanana hatrany ny sidina noho ny antony ara-teknika. Nianga ihany ny fiaramanidina ny alakamisy alina ary vao nanainga 20 minitra teo araka ny vaovao azo tamin’ny iray tamin’ireo mpanao gazety ireo dia nanomboka nipoitra ireo tranga nampiahiahy. Nisy no niteny fa “misy menaka mitete…dia nandeha avy hatrany ny filazana fiangavina mba hitony ireo mpandeha fa hitodidoha hiverina ny fiaramanidina …”. “Noho ireo fanafoanana sidina nanomboka ny talata teo dia hita fa feno be loatra ny fiaramanidina”, hoy ihany ny iray tamin’ireo mpanao gazety tao anatin’ny fiaramanidina. Na ny fidinan’ny fiaramanidina teny Ivato aza dia tsikaritr’ireo mpandeha fa efa tsy araka ny tokony ho izy araka ny tatitra azo. Nisy niteny mihitsy fa “nisy afo tamin’ny elatry ny fiaramanidina”. Tsy mbola nazava akory ny mikasika ilay fiaramanidina malezianina herintaona lasa izay na nisy aza ilay tapa-kelatra tany La Réunion dia saika nisy loza hafa indray.
Fonjamby
Volafotsy tokana sy alimo folo tamin’ny andro fah-3
Tsy nisy volamena intsony fa volafotsy tokana sy alimo folo no vokatra azo tamin’ny andro fah-3 ho an’ny fibatana fonjamby. Niravaka ny volafotsy tokana io Ranamaharinirina Nathalie sokajy -75kg vehivavy tamin’ny “épaulé jeté” (-88kg). Ireto avy kosa ireo niravaka ny alimo : Randrianasana Sitraka sokajy -69kg vehivavy nibata alimo telo (arraché : 71kg, épaulé jeté : 85kg, TO : 156kg), Ranamaharinirina Nathalie sokajy -75kg vehivavy nahazo alimo roa (arraché: 64kg, TO:146kg), Randriamialimanana Andry sokajy -85kg (arraché : 117kg, TO : 117kg), Rakotondramanana Harenelina sokajy -94kg (arraché : 95kg, épaulé jeté : 120kg, TO : 215kg). Medaly vomlamena sivy izany no azon’ity taranja ity ankoatra ireo volafotsy sy alimo.
Lomano
Niravaka volamena i Sitraka
Io fa tonga ihany ny volamena izay efa novinavinaina ho an’i Sitraka izay mpilaravinahitra any Frantsa. Lasan-dRalefy Sitraka Anthony mantsy ny medaly volamena tamin’ny 50m tsipy sandry roa tao amin’ny dobon’ny Michel Debré Saint-Denis ka nahavitany ny fotoana 24 » »60 teo alohan’ilay maorisianina Vincent Bdradley sy ilay renioney Bachmann Mathieu. Nahazo volafotsy tamin’ny 200m mitsilany kosa Rasolonjatovo Michael (02:18,40) ary alimo ny an’Andrianirian Lalanomena Anthony (02:18,60).
Kitra
Medaly alimo ny an’ny Barea lehilahy
Nangoron’entana tamin’ny manasa-dalana ny Barea lehilahy rehefa lavon’i La Réunion tamin’ny isa 1-0. Mayotte kosa nanilika an’i Maorisy tamin’ny isa 2-1 tamin’ny ankatoky ny famaranana an-kilany. La Réunion sy Mayotte izany no hiady ny famaranana anio.
Volley
Manakaiky ny volamena ho an’ny vehivavy
Lavon’ny ekipa vehivavy tamin’ny manasa-dalana ny maorisianina tamin’ny seta 3-0 (25/21, 25/19, 25/19) tao amin’ny kianja mitafon’ny Champ Fleuri St Denis. Tsiahivina fa medaly alimo no vokatry ny ekipa vehivavy tamin’ny taona 2011 tany Seisela.
Hand
Medaly alimo ny ekipa lahy sy vavy
Taorian’ny nahararaka ny ekipa Malagasy lahy sy vavy tamin’ny manasa-dalana dia samy nahazo medaly alimo izy ireo taorian’ny lalao fiadian-toerana. Ny lehilahy nandavo an’i Seisela tamin’ny isa 45-26 ary ny vehivavy kosa nanilika an’i Maorisy 36-21. Nibata ny volamena kosa i La Réunion izay nandresy an’i Mayotte 33-20 tamin’ny famaranana omaly.
Handisport
Niampy volafotsy roa
Mbola namokatra hatrany ny handisport tamin’ny andro farany satria mbola nanampy medaly volafotsy roa. Anisan’ny nahazo an’izany Ratsararay Solomon tamin’ny 1500m ambony seza misy kodiarana tao amin’ny kianja Stade Paul-Julius Bénard Saint-Paul (4'45''90). Azon’i Martina Franceline kosa ny volafotsin’ny 1500m vehivavy (5'34''38).
Baskety
Hiady ny volamena ny ekipa lehilahy
Resin’ny ekipa Malagasy lehilahy tamin’ny manasa-dalana ny maorisianina tao amin'ny Complexe sportif municipal, tamin’ny isa mazava 76-50.
Ady totohondry
Nionona tamin’ny volafotsy i Lalaina sy Sitraka
Medaly volafotsy roa no azon’ny mpanao ady totohondry Malagasy omaly. Rabenarivo Lalaina resin’ilay renioney Tsang Hing tamin’ny famaranan’ny sokajy -48kg ary Rakotomanga Heritovo Sitrakiniaina lavon’ilay maorisianina Vadamootoo Jean Jordy tamin’ny famaranana tamin’ny sokajy volomborona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.