Atletisma Lasan’i Madagasikara ny volamenan’ny 4x400m lahy sy vavy
Tsara fiafarana ny fifaninana tamin’ny taranja atletisma ho antsika Malagasy omaly tao amin’ny kianja Paul Julius St Paul. Norombahan’ny ekipa Malagasy avokoa mantsy ny medaly volamenan’ny hazakazaka mifampitohy 4x400m lahy sy vavy. Ny ekipa lehilahy norafetin-dRakotondramiandry Avotra sy Nomena ary Rabearisoa Todisoa sy Razafindrafomba Damien ka 3'12''02 no fotoana vitan’izy ireo. Medaly volamena telo izany no azon’i Damien tamin’ity lalaon’ny nosy ity. I Seisela kosa no fah-2 (3'12''23) ary fah-3 i Maorisy (3'12''51). Nandrafitra ny Malagasy vehivavy nisalotra ny volamena kosa Saholy Eugénie, Razanamalala Olga, Fanjaliana Jeanne ary Embony Elodie ka
3'43''16 fotoana nahavitan’izy ireo io halavirana io. Medaly volamena telo koa azon’i Elodie nandritra ity lalao ity. Nahazo ny volafotsy ny ekipa maorisianina , hoy izy ireo izay nahavita fotoana 3'44''74. Volafotsy kosa no azon’i Hajanirina tamin’ny 5000m lehilahy (14'33''91) ary alimo ny an’i Mampitraotsy Jean (14'50''09). Ilay renioney Hauss David no nibata ny volamena (14'26''29). Rehefa natambatra ny isa dia medaly volamena 16, volafotsy 6 ary alimo 7 no azon’ny malagasy tamin’ity taranja ity izany hoe : latsaka efatra tamin’ny andiany teo aloha tany Seisela.
Ny ekipa vehivay 4x400m vehivavy
Tenisy
Lasan’i Madagasikara ny volamenan’ny isan-tarika
Norombahan’ny ekipa Malagasy ny medaly volamenan’ny fifaninanana isan-tarika. Nandrafitra ny ekipa Malagasy Rakotondramanga Antso sy Rasolondrazana Jacob ary Razafimahatratra Zarah sy Andrialmasinoro Sandra. Ry zareo renioney no resin”izy ireo tamin’io famaranana io. Hiatrika ny manasadalan’ny olontokana lehilahy koa anio i Jacob sy Antso izay samy hifandona amin’ny renioney ihany. Sady mbola hiatrika ny famaranan’ny olondroa lehilahy koa i Jacob sy Antso anio tolakandro, hifanandrikna amin’ny ekipa mpampiantrano.
Nosantarin’ny isan-tarika ny volamena
Kitra
Madagasikara sy La Réunion ny famaranana
Tafita hanao famaranana ny Barea vehivavy rehefa nampiondrika an’i Seisela 8-2 omaly. Tompomarika tamin’ny fampidirana ny baolina ho antsika Malagasy i Nouriaty (20’, 28’), Nadia(15’,57’), Sophie(12’, 32’, 37’), Regina (78’). I La Réunion no hifandona amin’ny Malagasy amin’ny famaranana. Ny ekipa mpampiantrano moa dia nanintsana an’i Mayotte tamin’ny isa 3-1 tamin’ny manasadalana Ny sabotsy izao no hanaovana io famaranana io ao amin’ny kianja Jean Ivoula St Denis.
Fonjamby
Volafotsy 12 sy alimo 4 no vokatry ny andro faharoa
Tsy nahavaky atody tamin’ny fakana medaly volamena ireo mpibata fonjamby malagasy tamin’ny andro faharoan’ny fifaninanana natao tao amin’ny kianja mitafon’i Moufia ao St Denis. Volafotsy 12 sy alimo 4 kosa anefa no noraofin’izy ireo. Isan’ireo nisalotra medaly volafotsy i Vania tamin’ny «arraché» sokajy -63kg vehivavy (85kg). Ilay seiseloa Clementina no niravaka ny volamena (91kg). Mbola ity farany ihany no nahazo ny volamena tamin’ny “épaulé-jeté” (111kg) ary volafotsy hatrany ny an’i Vania (102kg). Araka ireo vokatra ireo dia lasan’io seiseloa io koa ny volamenan’ny «total olympique» ary volafotsy ny an’i Vania. Isan’ireo nandrombaka ny medaly volafotsy koa i Andriantsiry Charles tamin’ny «arraché» sokajy -69kg lehilahy (116kg) rehefa nihoaran’ilay maorisianina Yannick Coret kely monja (117kg). Mbola malagasy koa no nahazo ny alimo dia i Fanambinana Tina (112kg). Teo amin’ny “épaulé- jeté» kosa dia lasan’i Fanambina Tina ny volafotsy (142kg) ary alimo ny an’i Charles (140kg). Tamin’ny «total olympique» dia niverina tamin’i Charles ny volafotsy (255kg) ary alimo ho an’i Fanambina (254kg) ary volamena ny an’ilay maorisianina Yannick Coret (262kg). Nahazo ny volafotsy tamin’ny «épaulé-jeté» sokajy -58kg vehivavy i Harivelo Michelle Eugenie (90kg) taorian’ilay seiseloa Ruby Malvina (110kg). Mbola volafotsy ihany koa azon’i Michelle tamin’ny “arraché” ary volafotsy hatramin’ny “total olympique” (160kg). Ilay seiseloa Ruby io ihany kosa no nahazo ny volamen’ny TO (191kg). Nandrombaka ny volafotsin’ny « épaulé-jeté » sokajy -77kg lehilahy Randrianavalona Claudio (142kg) raha ilay maorisianina Cedric Coret no nahazo ny volamena (142kg). Volafotsy koa no azony tamin’ny “arraché” (112kg) sy ny “total olympique” (254kg). Ny fibatana fonjamby izany no taranja faharoa fandrombahantsika malagasy medaly volamena amin’ity Lalaon’ny Nosy ity. Mikasika ireo vokatra efa azo tamin’ny andro fah-3, medaly volafotsy no azon’i Nathalie tamin’ny “total olympique” sokajy -75kg vehivavy (146kg). Medaly alimo ny an’i Sitraka tamin’ny “total olympique” sokajy 69kg vehivavy (156kg) ary alimo ko any an’i andry sokajy -85kg (117kg) ny an’i Harinelina Mickael sokajy -94kg (215kg).
Ny ekipa nasionaly mpibata fonjamby
Lomano
Volafotsy iray sy alimo roa no vokatra
Anjakan’ny renioney tanteraka toy ny mahazatra ny taranja lomano. Ireo roa lahy avy niatrika ny fiadiana ny tompondaka erantany tany Kazan Rosia no nahazo medaly ho antsika Malagasy. Ralefy Sitraka Anhtony, mpila ravinahitra any Frantsa nandrombaka medaly volafotsy tamin’ny 100m tsipy sandry roa (56’’11) omaly tao amin’ny dobo filomanosan’i Michel Debre, St Denis. Ilay renioney Bachman Mathieu no nahazo ny volamena (55’’57). Medaly alimo kosa no azon’Andrinirina Lalanomena Anthony tamin’ny 50m mitsilany (29’’40). Medaly fah-3 azon-dRasolonjatovo Michael tamin’ny 100m mitsilany (1’02’’32).
Takon’ny renioney i Nomena (afovoany)
Handisport
Volafotsy ho an’i Françoise sy Jean
Medaly volafotsy no azon’ireo atleta malagasy tamin’ny hazakazaka 800m ho an’ireo manana fahasembanana tao amin’ny kianja Paul Julius St Paul. Niravaka izany ho an’ny lehilahy Randriamamimahefa Jean (2'22''50) raha ilay maorisianina Rabaye Denovan no nahazo ny volamena (2'09''21). Razanamaharo Françoise kosa no nahazo ny volafotsy ho an’ny vehivavy (3'04''60) raha ilay maorisianina Telvave Ashley no niravaka ny volamena (2'50''76).
Judo
Medaly alimo ny ekipa lahy sy vavy
Niandrandra mafy hanonitra saingy tsy nahavita afa-tsy ny medaly alimo ireo ekipa malagasy lahy sy vavy omaly tao amin’ny dojo rezionalin’ny St Denis. Lasan’i la Réunion ny volamenan’ny ekipa lehilahy ary Maorisy no fah-2. Norombahan’i Maorisy kosa ny volamenan’ny ekipa vehivavy ary azon’i La Réunion ny volafotsy.
Hand
Nahintsan’i La Réunion ny ekipa lahy sy vavy
Nifarana teo amin’ny manasadalana ny dian’ny ekipa vehivavy satria resin’i La Réunion mpampiantrano tamin’ny isa mazava 30-17 omaly tao amin’ny kianja mitafo Daniel Narcisse ao la Possession. La Réunion sy Mayotte izay nandraraka an’i Maorisy (23-15) izany no hiady ny famaranana. Nahintsan’i la Réunion tao amin’ny manasadalana koa ny ekipa lehilahy. Resy tamin’ny isa 32-20.
Lay voy lakana
Miady gisitra hatrany
Tsy tafavoaka mihitsy ny mpilay malagasy! Gisitra tamin’ireo mpifaninana valo indray mantsy i Andriantsoa Dahyan tamin’ny Laser 4,7 sokajy vehivavy tao amin’ny “Base nautique des Mascareignes” ao Le Port. Ilay seiseloa Alison Hoareau no lah-1, fah-2 ilay renioney Emeline Laude ary fah-3 ilay maorisianina Celine Baptiste.
Volley
Resin’i La Réunion manasadalana ny lehilahy
Raraka teo amin’ny manasadalana ny ekipa lehilahy nanoloana an’i la Réunion tamin’ny seta mazava 3-2 (25/20-25/20-25/21) tao amin’ny kianja mitafo monisipaly ao St Leu.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.