Sport

Akademiam-pirenena momba ny fanatanjahantena Misokatra ny fisoratana anarana


  • Alarobia 14 Oktobra 2015

Efa misokatra ny fisoratana anarana eo anivon’ny sekoly fianarana momba ny taranja fanatanjahantena eo anivon’ny akademiam-pirenena momba ny fanatanjahantena etsy Ampefiloha amin’izao fotoana izao.

 

 Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana hiantsorohan’ity ivontoerana ity izany ankoatra ny dobo filomanosana izay azon’ny daholobe hampiasaina sy handehanana tsara manomboka izao amin’ny sarany 2.000 Ar. Rahampitso alakamisy 15 oktobra no hanatanterahana ny lanonana amim-pomba ofisialy  mifandraika amin’izany, ahitana ny taranja lomano, ny basket, …entina hitiliana ireo tanora manan-talenta eto amintsika. Nambaran-dRanaivoson Patrice tale jeneralin’ny ANS nandritra izany  fa miezaka hatrany izy ireo amin’izao fotoana manatsara ny fomba fiasany. Mikasika ilay volan’ny coach izay voaresaka an-gazety fa tsy voaloan’izy ireo dia nambarany fa tsy anjaran’ny ANS irery izany satria efa misy ny fandaminana sy ny fitsinjarana natao tamin’ireo sampandraharaha isan-tsokajiny eo ambany fiahian’ny minisitera. Ny anjaran’ny ANS mantsy, hoy izy dia ny manome fiofanana, ny manara-maso ny lafiny môraly….

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT