Sport

Akademia nasionalin’ny fanatanjahantena Namoaka ny andiany “Fitaratra” izay misy teknisianina ambony 41


  • Alakamisy 02 Jolay 2015

Notontosaina omaly teny amin’ny A & C Ivato ny lanonana famoahana ny andian’ireo mpiofana ho teknisianina ambony amin’ny fanatanjahantena izay mpiofana teny amin’ny Akademia nasionalin’ny fanatanjahantena Ampefiloha. Miisa 41 ireo teknisianina ambony nahavita ny fiofanany ireo ka mpanazatra “Niveau 3’ ny 20 ary “Niveau 4” ny 21

. Niompana tamin’ny fitantanan-draharahan’ny fanatanjahantena ny fiofanan’izy ireo ary efa misy ny fifampidinihan’ny minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena amin’ny minisiteran’ny tetibola ny hijerena ny hampidirana azy ireo ho mpiasam-panjakana. Hiditra any amin’ireo rafitra any amin’ny faritra mahakasika ny sekolin’ny fanatanjahantena, fanatanjahantena sy fianarana ary ny fanatanjahantena an-tsekoly izy ireo. Ankoatra izay ny fiaraha-miasa amin’ireo rafitra toy ny federasiona sy ligy ary seksiona.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT