AKADEMIA FANAMBY

Vita ny "stage bloqué", hitsirika mpilalao any amin'ny faritra indray


  • Alatsinainy 30 Desambra 2024

Ankizy 40 mahery no tonga niatrika ny fampiofanana, nisy ny fanazaran-tena isan'andro amin'ny 7 ora

ka hatramin'ny 9 ora sy sasany maraina. Miato kely dia manomboka indray amin'ny 4 ora tolakandro ka hatramin'ny 5 ora sy sasany hariva
COACH MANANA NY MAHA IZY AZY
Mpampiofana efa matihanina no nandray an-tanana ireto ankizy ireto, toa an-dry coach Dama, coach RIRY, coach Zo ,coach Tantely. Mizara ho sokajy roa ny ankizy ,dia ny latsaky ny 11 taona sy ny latsaky ny 15 taona . Ny tanjona moa dia ny hamoaka mpilalao andrarezina any aoriana any . Hita ho manan-talenta tokoa ireto ankizy ireto, hita taratra izany amin'ny fomba filalao sy ny fahamatorana eny ambony kianja, . Marihina moa fa izay 15 manan-talenta indrindra amin'izy ireto ihany no ho tazonin'ny akademia fanamby ary mbola hisy ny fitsirihina mpilalao hafa izay ho atao manerana ny nosy aoriana kely ao hamenona ny isa ho 24 izay handrafitra ny akademia Fanamby
AVO LENTA
Nisy ankizy vitsivitsy avy any Toamasina tonga nanatrika ity fiofanana ity. Nofaranana tamina lalao ara-pirahalahina tamin'ny ekipa Akamasoa moa ny fihofanana ny alahady. Tena : faly izahay hoy ireo ankizy tonga teny amin'ny complexe sportif CNaPS Vontovorona satria sady tsara ny toerana nahafapo ny fandraisana sy fikarakarana, tomombana ny fitaovana ary tena avo lenta ilay fampihofanana,
Nangonin'i Valisoa sy Eddy Razaf

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT