Sport

Ajesaia – Uss Tamponnaise : Ny federasiona no hanefa ny fandoavana ny sazy


  • Talata 02 Martsa 2010

Niteraka resabe tokoa ny vokatr’ilay korontana nandritra ny lalao nihaonan’ny Ajesaia sy USS Tamponnaise tetsy Mahamasina ny alahady teo.

Tsiahivina fa niantomboka tamin’ny toraka tavoahangy ny korontana ary nitarika ny fampiatoana ny lalao naharitra ora iray latsaka kely. Azo lazaina fa ny fahatsoran’ilay kaomisera voatendry nanara-maso ny lalao no nampihena ny sazy tokony hianjera amin’ny kitra malagasy toy ny fanakatonana ny kianjan’i Mahamasina mandritra ny fotoana voafaritra tsy azo handraisana lalao iraisam-pirenena ankoatra ny sazy hafa ara-bola. Mikasika izay indrindra, na teo aza ny fanafoafana ny sazy izay hiankina tanteraka amin’ny tatitra nataon’io kaomisera nanara-maso ny lalao io dia tsy maintsy hilatsaka ihany ny sazy ara-bola izay hitentina 3 000 hatramin’ny 4 000 dolara eo.
Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny federasiona dia ry zareo FMF ihany no tsy maintsy hanefa io sazy io na tsy izy ireo no nikarakara sy tompon’ny hadisoana. Marihina anefa fa ny klioba mpampiantrano no manjifa ny vola niditra tamin’ireny lalao ireny nahafeno indray an’i Mahamasina. Amin’izao fotoana dia eo am-pandinihana ny kianja handraisana ny fihaonan’i Angola sy Madagasikara tafiditra amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika (CHAN) ny federasiona. Mety ho i Mahajanga no hanaovana ny lalao raha tsy i Mahamasina. Nomarihin-dry zareo ao amin’ny federasiona anefa fa etsy Mahamasina ihany no mahazaka mpijery betsaka sy ahazoana vola kokoa ary raha any Mahajanga no hanaovana ny lalao dia voatery hamoaka vola be hafa indray handefasana ny ekipa angoley amin’ny fiaramanidina. Ny zava-dehibe aloha dia zara aza tsy voasazy fa afaka hiatrika ireo lalao iraisam-pirenena ihany isika Malagasy.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT