Sport

Ajesaia Antanikatsaka Efa manapariaka ny fampianarany taninketsa any amin’ny Faritra


  • Alakamisy 06 Febroary 2020

Tena mampirehareha ny mpitantana ny ekipan’ny Ajesaia “Association des JEunes Sportifs de l'Avenir Inter-Arrondissements » avy eny Antanikatsaka,

 

 

tarihan’ny filohany Jasmina Ravelonarivo, ny fananany an’ireo kalaza nivoaka avy ao aminy toa an-dry Anicet, Bolida, Voavy Paulin ary Mamy Gervais ka nandrafitra ny Barea tany amin’ny CAN tany Egypte farany teo. Navoitran’ity klioba ity tao amin’ny tranoheva natsangany teny amin’ny Mining Business Center tao anatin’ilay fikaonandoham-pirenen’ny baolina kitra natao farany teo ny sarin’ireo mpilalao kalazany ireo mba ho hitan’ny olon-drehetra. Teny amin’ity toerana ity ihany koa no nahafantarana, tamin’ny firesadresahana fohy tamin’io filohany io fa efa manapariaka ny sekoly fampianarana taninketsan’ny baolina kitra any amin’ny faritra ivelan’Antananarivo koa ankehitriny ny “Ecole de foot Ajesaia”, toy ny any Ambatondrazaka, Mandritsara ary any Fianarantsoa.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT