AJ AUXERRE

Miozongozona ny toeran’i Rayan


  • Alatsinainy 13 Janoary 2025

Miozongozona ny toeran’i Rayan Raveloson, ilay mpilalao malagasy 27 taona heverina

ho tsy mifidy toerana hametrahana azy sady kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara rahateo ary milalao ao amin’ny klioba divizionina voalohany frantsay AJ Auxerre. Nanafana seza hatramin’ny farany moa ny lehilahy ny zoma teo nandritry ny fihaonana tamin’ny LOSC na Lille, tao anatin’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Frantsa. Lalao izay nirava ady sahala 0 noho 0. Tonga i Han-Noah Massengo, bandy kely 23 taona milalao eo afovoanin’ny kianja. Ity mpilalao ity no nampidirin’ny mpanazatra auxerrois teo amin’ny minitra faha 65 raha toa ka nijanona ho mpisolo toerana hatramin’ny farany teo i Rayan. Inoana sy antenaina, na izany na tsy izany anefa, fa hanamafy ny ezaka ataony ity andrin’ny ekipam-pirenena malagasy ity ary tsy ho ela dia hiverina ho tompon-toerana indray. Ny tena irariana aza moa dia ny hifindràny amina klioba manana ny maha izy azy kokoa mihitsy no sady ijanonany amin’izay maha tompon-toerana izay hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT