Sport

Ahmad –filohan’ny CAF Voaasa tao amin’ny lapan’i Elysée


  • Alakamisy 22 Febroary 2018

Anisan’ireo vahiny manan-kaja voaasa manokana tamin’ny fiaraha-misakafo nokarakarain’ny filoha Frantsay Emmanuel Macron tao amin’ny lapan’i Elysée omaly antoandro ny filohan’ny konfederasion’ny baolina kitra Afrikanina (CAF) Ahmad.

Lanonana natao ho fiarahabana sady fanomezam-boninahitra ny filoha Liberiana vaovao George Weah, mpilalao baolina kitra malaza fahiny ary tena nampiteny ny anarany manerana an’i Afrika sy Eoropa tamin’io taranja io. Anisan’ny nanatrika ity lanonana ity ihany koa ny filohan’ny FIFA Gianni Infantino. Nanambara nandritra ny lahateny nataony ny filoha Frantsay Emmanuel Macron fa hisy ny fananganana vovonana iray lehibe ho fampandrosoana ny fanatanjahantena aty amin’ny kaontinanta Afrikanina, hiara-kiasa ho amin’ny fananganana izany ny Banky Afrikanina misahana ny fampandrosoana (BAD) sy ny Sampandraharaha Frantsay misahana ny fampandrosoana (Afd). Tafaresaka tamin’ny filoha Frantsay nandritra ity lanonana tao amin’ny lapan’i Elysée omaly ny filohan’ny CAF Ahmad, fotoana iray nahafahan’ny roa tonta nandinika ny hahafahana mampivoatra hatrany ny baolina kitra. Tsara homarihana fa anisan’ny efa voaasa nanatrika ny lanonana fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny filoha George Weah tany Liberia ihany koa Atoa Ahmad ny 22 janoary lasa teo. Miha mahazo vahana eo amin’ny sehatra Afrikanina sy ny iraisam-pirenena ity teratany Malagasy voalohany voafidy ho filohan’ny CAF ity, izay toa mampialona na mahatezitra mihitsy aza ny manampahefana ambony sasany eto Madagasikara .

RTT


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT