Sport

Ahmad – filohan’ny CAF Nahazo “Docteur Honoris Causa” tany Ghana


  • Alakamisy 26 Aprily 2018

Nosaloran’ny University Professional Studies Accra (UPSA) any Ghana ny mariboninahitra ambony Docteur Honoris Causa ny filohan’ny CAF, ilay teratany Malagasy Ahmad.

 

Nanatrika ny lanonana manetriketrika nanolorana izany ny filohan’ny repoblikan’i Ghana, Atoa Nana Addo Dankwa Akufo-Addo. Marihina fa efa voahosotry ny Groupe Allafrica Global Media izay manana ny foibeny any Washington – Etazonia ho « personnalité sportive de l’année 2017 » mialoha izao Atoa Ahmad. Anisan’ireo vahiny manan-kaja voaasa manokana nihaona tamin’ny filoha Frantsay Emmanuel Macron sy ny filoha Liberianina sady efa « ballon d’or » Afrikanina George Weah ihany koa izy tao amin’ny lapam-panjakana Elysée tamin’io taona io ihany. Midika izany fa manomboka manana ny toerany eo amin’ny sehatry ny fifandraisana iraisam-pirenena ny filohan’ny CAF ary atokisan’ny olona. Ny mampalahelo anefa, hoy ireo olona akaiky azy dia eto Madagasikara indray Atoa Ahmad no toa voailikilika satria fantatra fa tsy manana ny antsoina hoe : « Passeport diplomatique » intsony amin’ny maha teratany Malagasy manampahefana azy sy avy efa nitana andraikitra ambony (filohan’ny FMF, Loholona) teto Madagasikara ny tenany. Ary raha nanainga teto Madagasikara ny 8 aprily 2017 hamonjy ny toeram-piasany any Ejipta aza izy dia tsy nomena salon d’honneur teny Ivato.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT