Sport

Ahmad, filohan’ny CAF Kolikoly avo lenta no naha lany azy ?


  • Alarobia 21 Jona 2017

Lasa resabe eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra maneran-tany amin’izao ny fisian’ny resaka kolikoly avo lenta mahasaringotra ny filohan’ny Federasionina iraisam-pirenena (FIFA) Gianni Infatino sy ny Sekretera jeneraly Fatma Samoura.

 

Voalaza ho nanao kolikoly avo lenta tamin’ny fampandaniana an’i Ahmad, filohan’ny Federasionina Malagasy teo aloha ho eo amin’ny toeran’ny filohan’ny kaonfederasionina Afrikanina na ny CAF izy ireo, araka ny lahatsoratra navoakan’ny gazety malaza Anglisy “The Guardian” sy ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena samihafa. Misy ny fandinihin’ny Vaomieran’ny etika eo anivon’ny Fifa ity raharaha ity, ary nanokatra fanadihadiana lalina mikasika izany ihany koa ny fampanoavana any Suisse tamin’ny alalan’ny mpitsara ambony antsoina hoe Cornel Borbely. Araka ny vaovao navoakan’io gazety io hatrany dia voalaza fa nanao fanentanana sy fanerena ankolaka ary fomba tsy ara-dalàna tamin’ny nandaniana an’i Ahmad i Gianni Infantino sy Fatma Samoura. Voalaza ihany koa fa nisy ny fihaonana miafina nataon’izy ireo tamin’ny mpitantana baolina kitra Afrikanina maro, ka nilazan’izy ireo fa azony atao ny manafaingana ilay famatsiam-bola avy amin’ny FIFA homena ny federasionina tsirairay, raha toa ka mandany an’i Ahmad ireo mpitantana ny baolina kitra Afrikanina, araka ny voalazan’io gazety io hatrany. Tsiahivina fa ny 16 martsa nandritra ny fivoriamben’ny CAF tany Addis-Abeba Ethiopie no nahalany an’i Ahmad tamin’ny isa 34 no ho 20 nanoloana ilay Camerounais Issa Hayatou, izay efa nitantana ny CAF tao anatin’ny 29 taona. Na inona na inona fomba fitantanan’i Ahmad ny kitra Malagasy, dia azo ambara ho reharehan’ny firenena ny fandreseny. Raha ny tantara kosa no zohiana dia efa Solontena maharitry ny firenena mikambana teto Madagasikara nandritra ny 5 taona ny sekretera jeneralin’ny FIFA Fatma Samoura nialoha ny nahazoany ny toerany ankehitriny. Lojika ny naha akaiky kokoa azy an’i Ahmad. I Issa Haytou kosa anefa nanohana ny mpifanandrina tamin’ny filohan’ny Gianni Infantino tamin’ny fifidianana filohan’ny CAF. Efa tamin’ny andron’i Sepp Blatter no nisian’ny resaka kolikoly goavana teo anivon’ny FIFA, ka izay no antony nionganany teo amin’ny toerany. Anisan’ny nandrenesana resaka kolikoly goavana ihany koa ny fampiantranoan’i Qatar ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany amin’ny taona 2018, ka resaka nandeha ny nandraisana filohana federasionina maro volabe tamin’izany, voatonona ny anaran’i Ahmad. Asa na ho afa-bela amin’ity resaka kolikoly ity ny filohan’ny Fifa sy ny sekretera jeneraly ary ny Filohan’ny CAF Ahmad na mety hiafara amin’ny fanoganana azy ireo amin’ny toerany ny raharaha.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT