Sport

Ahmad - Filohan’ny FMF “Tsy nizara vola izany aho”


  • Alakamisy 20 Martsa 2014

Lasa olomalaza noho ny fanenjehana azy i Ahmad, Filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra. 54 taona izao ny lehilahy ary nivoaka tamin’ny ENS EPS, Master 2 sy ny oniversiten’i Lyon Claude Bernard France (2005/06). Efa nisahana andraikitra maro toy ny talen’ny sampana fanatanjahantena tao Mahajanga, mpiandraikitra ny fitantanana ny Probo, talen’ny mponina sy fampandrosoana, mpikamban’ny governemanta nisahana ny fanatanjahantena, talen’ny kabinetran’ny ministeran’ny jono, PCA Somacodis, mpanolotsain’ny Antemieram-pirenena ary mpanolotsaina teknikan’ny minisitry ny serasera. Mikasika ny baolina kitra dia mpilalao D1 tao Maintirano sy ny Finances Tana, efa mpanazatran’ny Sotema ary efa nitantana ny ligin’i Mahajanga. Nametrahan’ny Tia Tanindrazana ireo fanontaniana manitikitika ny maro i Ahmad.

 Tia Tanindrazana (TT) : Niteny marina ve ianao fa tompondakan’i Afrika D3 ny Makis ?

Ahmad : Tsy hamaly an’izany aho, ny baolina kitra ihany no anjarako sy ampandrosoiko.

TT : Aiza ny tohin’ilay COREN (Comité de réflexion sur l’équipe nationale) nandaniana vola be ?
Ahmad : Io Akademia io sy ireny ‘grass roots’ ireny no tohiny. Ny fototra no hanaovanay asa mafy mba hamoahana mpilalao tsara sy ekipa vanona. Ny olana anie dia ny fiondranan’ireo mpilalao malagasy any amin’ireo Nosy manodidina ka tsy misy mpilalao sangany intsony eto. any anefa mahalasa avo lenta toy ny any Eoropa.

TT : Hanenjehana anao ny vokatra tsy misy, inona no vahaolana haingana harosonao ?
Ahmad :
Ny fanatsarana ireo mpilalao malagasy, mila omena sakafo tsara kalitao, trano fonenana sy fotodrafitrasa manara-penitra ary arahimaso ara-pahasalamana.

TT : Malaza ho be vola ny federasion’ny kitra, avy aiza ny vola ary manahoana ny fitantanana azy ?
Ahmad :
250 000 dolara isan-taona no famatsiana avy amin’ny FIFA, mazava ny fitantanana ary misy ‘audit’ roa isan-taona izay eto an-toerana sy iraisam-pirenena hanamarinana izany.

TT : Nalaza fa nanome vola ireo ligy ianao tamin’ny fifidianana hatrizay, inona no havalinao ?
Ahmad :
Tsy nizara vola tamin’ireo ligy izany aho ary azo anontaniana izy ireo. Valo anie ny filohan’ny ligy vaovao teo ary misy tsy fantatro akory e  ! Nisy amin’izy ireo no niantso fa hanohana ahy satria resy lahatra.

TT : Vato iray ilain’i Blatter ianao ary manjifa tombontsoa maro afaka mankany ampita manaraka fifaninanana iraisam-pirenena goavana, inona amin’izany anefa no fampandrosoana azon’ny kitra Malagasy ?
Ahmad :
Izany mihitsy angamba no tena mampalahelo ny sasany. Anaran’i Madagasikara anie no entiko amin’ireny ka fahotako ve izany  ? Tokony ho reharehan’ny Malagasy aza izany. Ny zava-bitako anie no naharesy lahatra ny FIFA ka nanendreny ahy amin’ny andraikitra samihafa e !

TT : Inona indray ireo tetikasa goavana amin’ity fe-potoam-piasanao faha-3 ity ?
Ahmad :
Ny fanaovana ny bozaka artifisialy etsy Mahamasina izao no tokony ho efa natao tamin’ny taon-dasa fa tsy tratra. Mbola misalasala ny tompon’andraikitra eto ka mety hafindra any Toamasina indray. Anisan’ny fandaharanasa goavana koa ny fandraisantsika ny CAN U17 (2017) sy ny fampiroboroboana hatrany ny Akademia eny Carion.

TT : Soso-kevitry ny olona ny hisintahana amin’ny iraisam-pirenena ary hanomanana ireo taninkentsa aloha, ny hevitrao ?
Ahmad :
Tsy mifanipaka anie izany fa mifameno e ! Tokony hatao foana ny iraisam-pirenena raha misy ny fanampiana anaovana izany ary tohizana koa ny famolavolana ireo sokajy zandriny. Tsy ampy ny fanofanana fotsiny azy ireo fa mila fifaninanana iraisam-pirenena maro izy ireo mba ho lasa avo lenta.

TT : Iza avy no mikarama ao amin’ny federasiona ?
Ahmad :
Anisan’ny takian’ny FIFA amin’ny nanomezany famantsiam-bola ny fananganana ny foiben’ny kitra sy ny fampihodinana azy io, ny fampitaovana sy fiantohana ny serasera. Ny Sekretera jeneralin’ny federasiona no mikarama ao miampy ny ekipany. Voararan’ny lalàna kosa ny fanakaramana ireo komity mpanatanteraka fa rehefa mamita iraka izy ireo vao mahazo tambinkarama.

TT : Ahoana raha ferana ho roa ihany ny ‘mandat’ an’ny filohan’ny federasiona ary ireo klioba lany vola be no mifidy mivantana ?
Ahmad :
Efa nandinika mikasika an’izany mihitsy aho fa mbola adihevitra be ny fandaniana lalàna toy izany any amin’ny FIFA. Ny lalàna malagasy mihitsy koa no tsy mifanaraka amin’izany. Tsy misy diviziona nasionaly moa eto amintsika fa azo atao ihany ny mampikambana mivantana ireo klioba D1 ao amin’ny ligy ary afaka mifidy. Ny lalàna ihany io.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT