Sport

Ahmad CAF « Ny Afrikanina no tena miaro azy »


  • Alakamisy 26 Novambra 2020

Naneho hevitra momba ny raharaha Ahmad i Dr Emile Ratefinanahary

 

 

Mpandrindra nasionalin’ny Olona Hasin’ny Tany (OHT) omaly. Malagasy iray eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena, tafasandratra amina sehatra avo. Tantara izany, tsy mbola nisy Malagasy nahatody an’izany hoe Filohan’ny CAF, Kaontinanta Afrikanina amin’ny Baolina kitra, hoy izy. Nambarany fa na inona na inona tenenina, dia niady ho an’ny Malagasy I Ahmad, toy ny tamin’ny fanovana ny isan’ny mpandray anjara amin’ny CAN. Misintona ny sain’ny rehetra fa tsy resaresahana fotsiny ny hambompom-pirenena, izao no mila ampisehoana an’izany. Malagasy io, mety tsy iray firehana politika aminao, mety tsy iray fihaviana aminao, mety hoy ianao hoe izaho tsy niara-niasa sy niray tsikombakomba taminao. Ity anefa ny fahavalo avy any ivelany no mamely. Rehefa ny tombotsoam-pirenena no resahina dia mila miray feo ny Malagasy rehetra, ary izay no hilàna ilay hoe: “nationalisme”, ary fahavalo avy any ivelany no hatrehina. Raha resaka tontolon’ny baolina kitra, toy ny hoe FIFA, dia misy resaka MAFIA io. Resaka mpilalao iray, dia an-jatony tapitrisa euros ny vola miodina. Ny mpanao gazety Camerounais dia naneho ny antony hanenjehana an’I Ahmad. Federasionina 40 no efa manohana ka nogafiana mialohan’ny fifidianana Filohan’ny CAF izy, raha ny nambaran’I Dr Emile Ratefinanahary. Nahitsy izy naneho Afrikanina indray no miray hina aty amintsika noho isika ato anatiny. Nametraka veliranony amin’ny hambompom-pirenena miainga amin’ny fanatanjahantena ny Filoha ka aiza izy amin’izao?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT