Sport

AGO Baolina kitra Malagasy Efa lasa avokoa ny taratasy fiantsoana ireo ligy


  • Zoma 11 Mey 2018

Nambaran’ny filoha am-perinasan’ny FMF na Federasion’ny baolina kitra Malagasy,

 

 Atoa Doda Andriamiasasoa fa tsy mbola misy resaka fifidianana izay ho filoha vaovaon’ity rafitra ity maneloelo aloha ankehitriny fa ny fivoriambe  ara-potoana na AGO fanao isan-taona izay hitondrana ny tatitry ny zava-bita tamin’ny 2017 izao no efa homanin’ny FMF tarihany fatratra izay tonga dia hampiarahana amin’ny fivoriambe tsy ara-potoana nangatahan’ireo ligim-paritra sasantsasany ka handanian’izy ireo ny volavolan-dalàm-pifidianana vaovao narafitry ny komity mpanatanteraky ny FMF indray, araka ny fangatahan’ny FIFA. Fantatra fa ny 2 jona izao no hanatanterahana an’izany eto Analamanga. Nambaran’ny eo anivon’ny sekretera jeneralin’ny FMF ankehitriny  fa efa tapitra nandefasana taratasy fiantsoana avokoa ireo ligy rehetra miisa 20 efa lany ara-dalàna sy ireo ligy 2 mbola manatanteraka ny asa nankinina aminy ankehitriny.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT