Sport

Afrobasket U18 Tsy nitsanga-menatra ny vehivavy, vonon-kandresy ny lehilahy


  • Zoma 12 Aogositra 2022

Nifarana teo amin’ny dingan’ny manasa-dàlana ny làlan’ny Ankoay vehivavy amin’ny fiadiana ny tompondakan’I Afrika ho an’ny taranja basikety sokajy latsaky ny 18 taona na “Afrobasket U18”.

Resy am-boninahitra nanoloana ny Ejiptianina, izay maozatra indrindra amin’ireo mpifaninana isika. Niady ihany ny lalao tao anatin’ny fizaram-potoana roa voalohany. Nitarika 21-11 isika tany amin’ny 5 minitra voalohan’ny ampahefa-potoana voalohany io. Tratra 21-21 roa minitra tsy hahataperany, ary izy ireo no nitarika 26-21 tamin’ny ampahefa-potoana voalohany. Teo amin’ny ampahefa-potoana faharoa, nitarika hatrany Ejiptianina, saingy niezaka nanenjika ka nitarika 43-41 teo am-pialana sasatra. Teo amin’ny fizaram-potoana fahatelo vao nanomboka nihazakazaka ny isa ho an’ny Ejiptianina, ka 70-57 no nisarahana teo. Nitombo ny elanalena teo amin’ny fizaram-potoana fahaefatra, 98-66 kosa ny isa farany nisarahan’ny roa tonta. Niezaka hatramin’ny farany, ary tsy nitsanga-menatra ny ekipa Malagasy vehivavy. Tao anatin’ny fikaisan-kiana sy fihombonana tanteraka no nisarahan’ny ekipa roa tonta teo am-pifaranan’ny lalao. Resy am-boninahitra ary henin-kaja henim-boninahitra ny ekipa Malagasy. Ho an’ny lalao hafa, fiadian-toerana, resin’I Algerie 75-35 I Tanzanie.
VONON-KANDRESY NY LEHILAHY
Ho an’ny lehilahy kosa, anio amin’ny 5ora sy sasany no hiakatra an-kianja ny Ankoay lehilahy, hifanandrina amin’I Mali, izay nandresy an’I Bénin 106-46 tamin’ny ampahefa-dàlana. Tsiahivina fa 102-41 no nandresentsika an’I Bénin tamin’ny lalaom-bondrona, izany hoe: mifandanja tanteraka ny Ankoay sy ny Malianina raha raisina amin’io. Ambony ny fanantenana, ary tombony lehibe ho antsika ny fanohanan’ny mpijery. Iray andro nialohan’ny lalao dia efa tapitra tanteraka ny tapakila. Manantena, ary mino ny Malagasy fa haneho ny fahaizany hatrany, ary hibata fandresena indray ry Mathias M’Madi anio. Tombony lehibe ho antsika ny fananana io mpilalao sangany sy voasokajy ho mahay sy mendrika indrindra amin’ity Afrobasket U18 ity io. Raha mandresy amin’io manasa-dalana io isika, dia hahazo avy hatrany ny tapakila amin’ny fiaidiana izay ho tompondaka eran-tany amin’ny sokajy U19 hatao any Hongrie ny taona 2023. Ireo lalao ampahefa-dàlana farany omaly, dia lavon’I Angola 67-64 I Sénégal, ary I Egypte kosa nandavo an’I Algerie.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT