Sport

Afrobasket U18 Namiratra ny Malagasy


  • Alatsinainy 08 Aogositra 2022

Nitohy fahombiazana ho an’ny Ankoay sokajy lehilahy amin’ny fiadiana izay ho tompondakan’I Afrika latsaky ny 18 taona ny “Afrobasket U18”,

ary afaka nanarina ny faharesena tamin’ny lalao voalohany ihany koa ny sokajy vehivavy. Ny ekipam-pirenen’I Algérie no nifandona tamintsika omaly na ho an’ny lehilahy n any vehivavy. Taorian’ny fandresena miezinezina 102-41 nanoloana an’I Bénin tamin’ny andro voalohany, nandresy an’I Algérie 55-49 indray ny Malagasy omaly. Nitarika hatrany tamin’ny ampaham-potoana efatra ny Malagasy, saingy somary nanana fahasarotana kokoa nitaha tamin’ny fifandonana tamin’I Bénin. Nisongadina hatrany ilay mpilalao Malagasy I Mathias M’Madi. Ambony ny herijika hiakarantsika amin’ny dingana manaraka. Nandresy mazava ny Sénégalais 94-39 an’i Bénin i Sénégal,… Nialohan’izao, efa nandresy 76-59 an’i Algérie i Sénégal, Resin’i Guinée 64-44 i Rwanda, lavon’i Mali 46-51 i Egypte. Ho an’ny lalao anio kosa, hifandona amin’I Sénégal isika amin’ny 5ora sy sasany hariva, ialohan’ny lalaon’I Algérie sy Bénin, Angola sy Rwanda, ary aorian’ny lalaontsika no hifandona I Guinée sy Mali. Lalao isan’ny tena andrasana ny antsika sy Sénégal izay samy tsy mbola nisy resy tamin’ny lalao natao. Tetsy ankilany, nandresy 59-43 ihany koa ny sokajy vehivavy, izay nitarika hatrany am-boalohany, saingy raha tany amin’ny 30 ny elanelan’isan’ny roa tonta, dia nanezaka mafy ny Alzerianina raha toa somary nanary baolina betsaka kosa isika Malagasy. Nomontsanin’I Mali 100-40 kosa I Ouganda, izay nandresy antsika 59-54. Ho an’ny anio, hifandona amin’i Mali ny Malagasy amin’ny 3 ora tolakandro, izay heverina fa lalao ho sarotsarotra ho antsika. Ialohan’ny lalaon’i Ouganda sy Algérie io, ary aorian’ireo lalao roa ireo ny an’i Tanzanie-Guinée sy Egypte sy Angola.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT